Ho avy ity ny fetin 'ny 26 Jona, izay fetim - pirenena Malagasy sy fetin 'ny foloalindahy Malagasy ho fankalazana ny faha 66 taona nahazoantsika ny fahaleovan - tenam - pirenena. Eo anatrehan ' izany dia nanasongadina ireo zavatra roa tena mampihavaka ity fety ity ny Pr Joseph. Voalohany dia ny tsy hisalorana akanjo hafa, afa - tsy fitafy tena maha Malagasy, araka ny faritra nihaviany avy, araka izay efa nambaran 'ny filohan 'ny fanavaozana, ny Kolonely Michaël Randrianirina azy. Ny faharoa dia ny tsy hisian 'ny tafika vahiny handray anjara ny amin 'ny matso izay hatao mandritra ny fankalazana ny fetin ' ny foloalindahy Malagasy. Heverina fa anisan 'ny fiovam - penitra lehibe izany, satria ho mariky ny fanajana ny fiandrianam - pirenentsika Malagasy, izay midika fa tena " Fanavaozana " ho amin 'ny Repoblikan ' i Madagasikara marina tokoa no misy eto ankehitriny, na dia misy ihany aza ny sasany izay mivohy ny amin 'ny hoe : Malagasy daholo na Karana na vazaha ; izay tsy tokony ho ekena intsony, satria andron 'ny fanavaozana izao ka tsy tokony homena sehatra hanjakazaka sy hampahantra ny vahoaka Malagasy sy hanao ampihimamba ny harem - pirenena eto intsony ireo tera-tany vahiny ireo. Mamporisika ny kolonely Randrianirina Michaël noho ny maha olom - boafidin ' i Jesosy Azy araka izany Pr Joseph. Porofoy fa tena mpiandry ondry nirahin ' i Jesosy ianao tompoko, hanafaka ny vahoaka Malagasy tsy ho eo ambanin 'ny vahohon ' ireo mpanjanaka intsony, tahaka izay nanirahan ' Andriamanitra an ' i Gideona hanafaka ny Zanak ' Isiraely, araka izay voasoratra ao amin 'ny ( Mpitsara, 6 ; 14 ) manao hoe : Dia nitodika nijery azy Jehovah ka nanao hoe : Mandehana amin ' izao herinao izao, ka vonjeo ny Isiraely amin 'ny tanan 'ny Midiana ; tsy efa naniraka anao va Aho ? Fa etsy an-danin ' izany, noho ny maha fetim - pirenena azy dia tsara hatrany raha madio sy milamina ny tanànatsika, indrindra fa ny eto Antananarivo izay Renivohitr ' i Madagasikara hoy Pr Joseph. Raha madio sy milamina ny eto mantsy hoy izy dia ho tarafin ' ireo faritra rehetra manerana ny Nosy izany. Mamporisika ireo mpivarotra amoron - dàlana mba hiditra any anatin'ny toerana izay efa voatokana ny amin ' izany ny tenany indrindra fa isika eto amin 'ny " petite vitesse ". Tena mampandroso antsika ny fandaminana ny amin ' izany hoy izy tahaka ny tao Rwanda izay tsara halain - tahaka, fa ny soa fianatra hoy ny fitenintsika Malagasy.
Pati
Légende : Ny Pr Joseph mpanompon'Andriamanitra sady mpandinika raharaham-pirenena !
Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy