airtel

Actualités

01-juin-2026

FETIN'NY RENY

Nandehabe ny tsenan'ny mofomamy omaly

Sample post image

Fety iray anisan'ny tena manan-danja

01-juin-2026

amin'ny tokantrano Malagasy ny Fetin'ny Reny. Omaly Alahady 31 May no nanamarihana izany tamin'ity taona 2026 ity. Nanomboka afak'omaly Sabotsy 30 May dia efa nifanaretsaka teny an-tsena ny rehetra nitady ireo karazana fanomezana natolotra ho an'ny Reny. Toraka izany koa ny fikaomandiana mofomamy izay tena be mpanao tokoa. Nanomboka tamin'ny 10.000 Ar no vidiny ka hatramin'ny 50.000 Ar ampy mizara ho an'olona 4 ka hatramin'ny 6. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpivarotra mofomamy iray dia nanodinana ny 100 isa teo ny kaomandina mofomamy azony tao anatin'ny 2 andro. Ireo karazany tsotra nefa be sokola no tena be mpitia indrindra. Misy koa ireo tena tia mofomamy misy voankazo... Tamin'ny ankapobeny dia azo lazaina no tena nifety ny rehetra omaly na dia tsy dia nisy vola aza. Ho an'ireo karazana fanomezana azo hatao fahatsiarovana dia ireo karazana kisary misy soratra fanao amin'ny rindrina, ny voninkazo, ny akanjo mafana, ny kavina....no tena be mpividy.
Pati
Légende : 10.000 Ar no vidin'ny mofomamy farany ambany indrindra omaly !
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap