airtel

Actualités

25-août-2026

FIANAKAVIAN'I HAINGOTIANA

Misafidy ny hangina aloha

Sample post image

Manoloana ireo resaka marobe

25-août-2026

eny amin'ny tambazotran-tserasera Facebook dia fantatra fa nisafidy ny hangina aloha ireo fianakavian'i Rasamison Vololoniaina Haingotiana, iray amin'ireo tovovavy kely nisy namono tamin'ny fomba feno habibiana, hita faty teny Ambohimanga Rova, ny Alahady 23 Aogositra teo. Mbola am-bohitra rahateo ny razana hoy izy ireo ary mbola mafana tanteraka ny ratram-po. Niala tsiny betsaka tamin'ireo mpanao gazety marobe tonga tany aminy mba hanao fanadihadiana sy "interview" araka izany izy ireo omaly saingy nolaviny. Tsy sanatria manao tsinontsinona anareo akory tompoko fa araky ny voalaza ery ambony dia nisafidy ny hangiana mihitsy aloha izahay. Ankoatra izay manentana ireo mpisehatra rehetra amin'ny tambazotran-tserasera Facebook izy ireo mba ho mailo manoloana ireo vaovao isan-karazany izay miparitaka. Be loatra mantsy ireo zavatra diso na mety koa iniana disoina, na vaovao tsy misy porofo, ka vao mainka mety hanasarotra kokoa ny fanadihadiana izay hataon'ny mpitandro filaminana hoy hatrany ity fianakaviana ity. Rahampitso Alarobia 26 Aogositra moa no fantatra fa hoalevina eny Ambohidrabiby ny nofo mangatsiakan-dRatompokovavy, aorian'ny fotoam-pivavahana hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra hotontosaina ao amin'ny fiangonana FJKM Ambohidrabiby ihany.
Nangonin'i Pati
Légende : Ratompokovavy fony fahavelony !
 

Dans la même rubrique

21-oct-2026

Natsikafon’ny PRRM fa

Card image cap
21-oct-2026

Mankaleo ilay kolikoly ! Soloy sy fongory izay tsy manjary !»

Card image cap
21-oct-2026

Mety hiteraka fahafatesana tampoka fa mba hamarino ! »

Card image cap
21-oct-2026

toavintsika ny fanajariana sy fananantany

Card image cap
21-oct-2026

olona hiara-kiasa aminy ny

Card image cap
21-oct-2026

Mbola lehibe ny fanamby hampisitraka

Card image cap