airtel

Actualités

21-janv-2026

Fiaraha-miasa,

toe-draharaha eto Madagasikara

Sample post image

Nihaona tamin’ny Filoha Malagasy sy

21-janv-2026

Sekretera mpanatanteraky ny SADC
Nisy fihaonana manan danja teo amin’ny Sekretera Mpanatanteraky ny SADC (Southern African Development Community) Elias M. Magosi sy ny Filohan’ny Filohan’ny fanavaozavana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kolonely Michael Randrianirina, tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, raha ny tatitra nataon’ny SADC. Fitsidihana ara-panjakana niresahana fanamafisana ny fiaraha-miasa. Nifantoka tamin’ny laharam pahamehana ara faritra ny resadresaka, toy ny: Fampidirana ara faritra sy ny fanamafisana ny fifandraisana ara toekarena, fampandrosoana ny fotodrafitrasa sy ny fanohanana ny tetikasa lehibe, fiovan’ny toetr’andro sy ny vahaolana maharitra, fandriampahalemana sy fiarovana, fanovana ara toekarena sy fanamafisana ny indostria. Nasongadin’i Magosi ny maha zava dehibe ny Tahirim pampandrosoana ara faritra (FDR) ho fitaovana hanohanana ny fotodrafitrasa sy ny fandaharan’asa ara faritra. Namporisihany ny Fanjakana mpikambana hanafaingana ny fanamafisana ny fifanarahana FDR mba hahafahana manatanteraka azy haingana. Ara-politika, nifanakalo hevitra ihany koa ny Sekretera Mpanatanteraka sy ny Filoha Randrianirina momba ny tetezamita eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny fizotry ny fifampiresahana nasionaly mirindra mikendry ny fanavaozana ny lalàmpanorenana sy ny fikarakarana ny fifidianana ho avy. Nanamafy ny Filoha fa mijanona ho laharam pahamehana ny fanavaozana ny rafitra fifidianana, ary ny vokatra avy amin’ny fifampiresahana nasionaly no hitari dalana amin’ny fanapahan kevitra momba ny rafitra sy ny Parlemanta. Namerina nanamafy ny SADC ny fahavononany hanohana an’i Madagasikara amin’ny maha Fanjakana mpikambana hajaina azy, rehefa mandroso mankany amin’ny fandriampahalemana, ny fitoniana, ny filaminana ara lalàm panorenana ary ny fampandrosoana mirindra. Tany aloha moa dia isan’ny nampiady hevitra ny fanambarana nataon’ny SADC mikasika ny fampodiana ireo sesin-tany politika ho afaka mandray anjara amin’ny dinika momba ny raharaham-pirenena Malagasy ka asa raha mbola hivoy an’io ity rafitra ity na tsia ?
Toky R


 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

ady amin'ny kolikoly ny mpiasa

Card image cap
06-mars-2026

Miverina amin’ny laoniny ny tolona,

Card image cap
06-mars-2026

Niverina ofisialy ny fitrandrahana,

Card image cap
06-mars-2026

natokana ho an’ny sosialy na RSE

Card image cap
06-mars-2026

8 taona sisa navelan’ny voay

Card image cap
06-mars-2026

Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona

Card image cap