airtel

Actualités

07-sept-2026

Fiarovana ny ala Atsinanana

Ho apetraka ny fanaraha-maso entitra

Sample post image

Hametraka ho laharam-pahamehana

07-sept-2026

ny fiarovana ny ala voajanahary ao amin’ny faritra Atsinanana ny talem-paritry ny tontolo iainana na DREDD vaovao ao an-toerana, Be Rosade, raha ny nambarany ny sabotsy teo. Ho apetraka, raha ny fanazavàny, ny fanaraha-maso entitra izany satria harena iombonan’i Madagasikara iraimanontolo ny ala. Nanentana ny olompirenena tsy an-kanavaka sy ny mpiara-miombon’antoka amin’ity fiadidiam-paritra ity ny tenany hiara-hisalahy amin’izany fiarovana ny ala izany. Tena mamaly ny filàn’ny faritra Atsinanana ny fisian’ny ala, hoy izy. Sady ho fandraisana anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana izany no hanaporofoana fa miasa ho an’ny vahoaka ny fiadidiam-paritra momba ny tontolo iainana na DREDD. Atomboka eny anivon’ny fokontany ny fandraisana andraikitra. Eo ny fanadiovana ary eo koa, ohatra, ny mety ho famatsiana voninkazo ny isam-pokontany. Manentana anefa, raha ny tena marina, no anjaran’ny DREDD fa ny fandraisana andraikitra dia an’ny mponina rehetra, na ho an’ny Toamasina renivohitra na ny kaominina rehetra anatin’ny faritra Atsinanana, hoy hatrany ny DREDD Atsinanana.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

07-sept-2026

demokrasia no tena mipetraka ny kolikoly»

Card image cap
07-sept-2026

Tsy mba miova ny tantara fa ny

Card image cap
07-sept-2026

hanamboaran-dalana eto Madagasikara

Card image cap
07-sept-2026

Voalaza ho antony nahafaty olona tao amin’ny "Bloc opératoire"

Card image cap
07-sept-2026

Sinoa roalahy voatana am-ponja ao Tsiafahy

Card image cap
03-sept-2026

Namonjy ny volany 100 000Ar, kinanjo natelin’ny rano i Dety

Card image cap