airtel

Actualités

07-sept-2026

Fiarovana ny ala Atsinanana

Ho apetraka ny fanaraha-maso entitra

Sample post image

Hametraka ho laharam-pahamehana

07-sept-2026

ny fiarovana ny ala voajanahary ao amin’ny faritra Atsinanana ny talem-paritry ny tontolo iainana na DREDD vaovao ao an-toerana, Be Rosade, raha ny nambarany ny sabotsy teo. Ho apetraka, raha ny fanazavàny, ny fanaraha-maso entitra izany satria harena iombonan’i Madagasikara iraimanontolo ny ala. Nanentana ny olompirenena tsy an-kanavaka sy ny mpiara-miombon’antoka amin’ity fiadidiam-paritra ity ny tenany hiara-hisalahy amin’izany fiarovana ny ala izany. Tena mamaly ny filàn’ny faritra Atsinanana ny fisian’ny ala, hoy izy. Sady ho fandraisana anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana izany no hanaporofoana fa miasa ho an’ny vahoaka ny fiadidiam-paritra momba ny tontolo iainana na DREDD. Atomboka eny anivon’ny fokontany ny fandraisana andraikitra. Eo ny fanadiovana ary eo koa, ohatra, ny mety ho famatsiana voninkazo ny isam-pokontany. Manentana anefa, raha ny tena marina, no anjaran’ny DREDD fa ny fandraisana andraikitra dia an’ny mponina rehetra, na ho an’ny Toamasina renivohitra na ny kaominina rehetra anatin’ny faritra Atsinanana, hoy hatrany ny DREDD Atsinanana.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-oct-2026

Sinoa iray tratra nitondra volamena

Card image cap
23-oct-2026

Manome lanja ny tontolon’ny

Card image cap
23-oct-2026

Misy vatsim-pianarana 12 hiofanana atsy Maorisy

Card image cap
23-oct-2026

Hiverina amin’ny heriny, eny

Card image cap
22-oct-2026

tohin’ny afera Nosy Be Hell Ville…

Card image cap
22-oct-2026

Notsipahan’ny HCC ny andininy miisa roa

Card image cap