airtel

Actualités

15-déc-2023

FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA

Hizarana zana-kazo maimaim-poana ny Graine de Vie

Sample post image

Fikambanana miantsehatra hatrany amin’ny fijakiana sy ny fiarovana ny tontolo iainana

15-déc-2023

eto amintsika ny fikambanana Graine de vie. Anisan’ny tohana hoentiny amin’izany ny fanolorana zana-kazo maimaim-poana entina hanamaitsoana volo an’i Madagasikara ka tsy hanavana na fikambanana na sekoly ireo mila izany. Hisokatra anio Zoma 15 Desambra araka izany ny fizarana zana-kazo ho an’ ny taona 2023 tanterahin’izy ireo. Raha araka ny vaovao azo omaly dia eny amin ny foiben-toeran’ny Graine de vie pépiniére centrale no hanombohana sy hanaovana ny fizarana ho an’ny Faritra Analamanga. Manentana ny mpahazo tombontsoa rehetra mba hanara-maso akaiky sy hikarakara ireo hazo voavoly araka izany ny fikambanana mba ahafahana mahita vokatra tsara indrindra manoloana ny ady hatao amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro izay tena mahazo vahana tokoa eto amintsika. Toraka izany koa ny tsy fahampian’ny rotsak’orana antony mampahazo vahana ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ireo zaza latsaky ny 5 taona any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy. Raha toa ka fikambanana moa no haka ilay zana-kazo dia ilana taratasy mazava izany. Raha olon-tsotra kosa dia ny karapanondrony no ilaina. Tsy mivarotra zana-kazo kosa izy ireo no sady tsy mandray famandrihana fa miasa ho an’ny firenena.
Pati
Legende : Ireo mpianatra kely no tena mazoto mamboly hazo ho an’ny sekoly !
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap