airtel

Actualités

09-sept-2026

Fiatrehana ny main-tany

Manao izay hisitrahan’ny vahoaka

Sample post image

rano fisotro madio tsy tapaka ny fanjakana

09-sept-2026

Hiditra tsy ho ela anatin'ny vanim-potoanan'ny main-tany isika eto Madagasikara. Havesatra kokoa izany amin’ity taona ity noho ny fisian’ny El Nino izay mety hampikorontana ny famokarana sy ny fitsinjarana ny rano fisotro madio noho ny tsy fahampian’ny rano. Ny fahazoana rano fisotro madio anefa dia filàna fototra sy zo tokony hisitrahan’ny Malagasy rehetra. Misy ireo asa laharam-pahamehana izay efa natomboka volana vitsy lasa, izay efa vita sy andalam-pahavitana ataon'ny fanjakana amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana mba hiantohana hatrany ny famatsian-drano ho an’ny vahoaka. Ho an'ny eto Antananarivo sy ny manodidina dia eo ny fanafainganana ny fahavitan’ny UTC1000 Mandroseza ; ny fanamboarana ny UTC Andohan’i Mandroseza, UTC Ankadindrantombo ary UTC Tanjombato ; fanatsarana ny famokarana ao Mandroseza II Bis izay mampitombo koa ny vokatra ; fanavaozana ny toby fanadiovan-drano ao Mandroseza ; fanamafisana ny tobim-pamokarana eny Faralaza ; fanoloana fitaovana sy fametrahana vata famokarana herinaratra amin’ireo toerana stratejika toa an’i Talatamaty, Anosizato, Itaosy, Sabotsy Namehana, Alasora, Androhibe, Betongolo, Ankadikely Ilafy ary Ambohidroa ; fanoloana ny ampahan’ireo fantsona efa antitra eto Antananarivo Renivohitra ; fanamboarana "forage" marobe toa ny teny amin’ny oniversite Ankatso, Amboditsiry sy HOMI ; ary koa ny fametrahana siniben-drano eny amin’ny fokontany maro.
MANERANA NY NOSY
Mitohy manerana ny nosy ireo tetikasa maro hamatsiana rano fisotro madio toy ny fanampiana sy fanoloana fitaovana sy fantsona any amin’ireo faritra maro mila izany toa an’i Toamasina, Mahajanga, Marovoay, Antalaha, Nosy Be, Maintirano, Ampanihy, Antsalova ... ; fananganana sy fanatsarana ireo foto-drafitr'asa ary ny fanitarana ny tambazotran-drano : Soalala, Manakara, Mananjary, Ambalavao, Manandriana, ... Eo koa ny fanamboarana "forage" teny amin’ny oniversite : Antsiranana, Toliara, Antsirabe sy tamin'ireo tanàna maro tany amin'ny Faritra Atsimo Andrefana, Androy sy Anosy. Mitohy ihany koa etsy andanin'izany ny fanampiana ny JIRAMA amin’ny alalan’ny fividianana fitaovana sy fantsona vaovao isan-karazany na eto Antananarivo na any amin’ny faritra. Hisy fiara lehibe ho avy tsy ho ela hanampy amin’ny fitaterana rano mba hisitrahan’ny vahoaka rehetra rano fisotro madio tsy tapaka.
Jean D.
Santionany amin'ireo "forage" nataon'ny Minisiteran'ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana

 

Dans la même rubrique

09-sept-2026

andrasana anio tohiny…

Card image cap
09-sept-2026

1 200.000 Ar no saran’ny

Card image cap
09-sept-2026

Trozona iray, tombanana ho 20 ka

Card image cap
08-sept-2026

Famatsiam-bola 1,085 miliara dolara

Card image cap
08-sept-2026

tsirairay no tsy hampiverina krizy intsony»

Card image cap