airtel

Actualités

08-sept-2026

Fifandraisan-davitra sy ny nomerika

Sample post image

Nahazo kits starlink 300 misy

08-sept-2026

tolotra maimaimpoana I Madagasikara
Taorian’ny fametrahana aterineto maimaim-poana tao amin’ireo oniversitem-panjakana lehibe, miditra amin’ny sehatra vaovao indray i Madagasikara. Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra (MNDPT) tarihin’Andriamatoa Mahefa Andriamampiadana sy ny orinasa Starlink, nahazo kits Starlink miisa 300 miaraka amin’ny tolotra aterineto maimaimpoana i Madagasikara. Manampy amin’ny fampifandraisana ireo faritra lavitra izay mbola mitoka-monina ara-nomerika, mampihena ny elanelana nomerika eo amin’ny vahoaka, manamora ny fidirana amin’ny aterineto amin’ny vidiny mirary kokoa,... ny fahazoana ireo fitaovana sy tolotra ireo. Nomarihina fa hifameno fa tsy hifaninana ny fibre optique, ny tambajotra finday, ary ny tolotra avy amin’ny zanabolana dia . Tanjona ny fampifandraisana ny Malagasy sy ny fanomezana fahafahana ho an’ny mpandraharaha hanangana vahaolana vaovao Rehefa mihamaro ny safidy dia mihena ny vidiny, ary mamoronana asa sy sehatra vaovao, fidiran’ny teknolojia dia manokatra sehatra vaovao ho an’ny asa sy ny fandraharahana, fandraisana anjara mavitrika. Tsy ho mpampiasa fotsiny ny Malagasy fa ho mpamorona sy mpandray anjara amin’ny revolisiona nomerika. Raha fintinina, dingana lehibe ho an’i Madagasikara, manokatra varavarana ho amin’ny fandrosoana nomerika, mampifandray ireo lavitra ny tambajotra ary manome fahafahana vaovao ho an’ny toekarena sy ny vahoaka ity tetikasa ity. Ny sehatra nomerika eto Madagasikara dia mbola kely amin’ny lanjany ara-toekarena saingy mitombo haingana. Araka ny tatitra avy amin’ny International Trade Administration (2025), ny nomerika dia mitondra 1,7% amin’ny harin-karena faobe PIB ary manome 18% amin’ny fitomboan’ny toekarena. Ny Africarrières Guide (2026) kosa dia manamafy fa ny sehatra dia mitondra 3% amin’ny PIB ary manome asa mivantana ho an’ny 15.000 olona. Raha jerena amin’ny PIB an’i Madagasikara izay manodidina ny 20 miliara dolara amerikana tamin’ny 2026, dia midika izany fa eo anelanelan’ny 340–600 tapitrisa dolara no entin’ny nomerika amin’ny toekarena. Ny asa dia mifantoka amin’ny Business Process Outsourcing (BPO), ny telecom sy data processing, ary ny fintech sy e-commerce no isan'ny tena iasany. Ny Plan Stratégique Numérique 2023–2028 dia mikendry ny hampiakatra ny anjara biriky ho 6% amin’ny PIB amin’ny taona 2028, izay antenaina hiteraka 137.000 asa vaovao sy hanova 122.000 asa efa misy ho asa mifandray amin’ny teknolojia.
Toky R
 

Dans la même rubrique

08-sept-2026

Famatsiam-bola 1,085 miliara dolara

Card image cap
08-sept-2026

tsirairay no tsy hampiverina krizy intsony»

Card image cap
07-sept-2026

demokrasia no tena mipetraka ny kolikoly»

Card image cap
07-sept-2026

Tsy mba miova ny tantara fa ny

Card image cap