airtel

Actualités

23-oct-2013

Fifidianana filoham-pirenena 2013

> Ahitana lesoka ara-teknika sy tsy fanarahan-dalàna

23-oct-2013

Afaka 2 andro dia hiatrika ny adidy masina amin’ny fifidianana filoham-pirenena vaovao ireo olom-pirenena Malagasy voasoratra anarana ao amin’ireo lisi-pifidianana miisa 7.823.350 ao amin’ireo birao fandatsaham-bato miisa 20.001 manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Raha nampanantena sy nilokaloka ny CENI-T tomombana ara-teknika sy manara-dalàna ity fifidianana ity dia tsy mbola tratra aloha hatreto izay tanjona izay. Milaza indray mantsy izao ny filohan’ny CENI-T, Rtoa Atallah Béatrice fa manan-jo hifidy amin’ny alalan’ny fitondrana ny kara-panondrom-pirenena ireo olom-pirenena feno taona voasoratra mazava ao amin’ny lisi-pifidianana nefa tsy nahazo kara-pifidianana rehefa tonga ny datin’ny 25 oktobra 2013 andro fandatsaham-bato. Tsara anefa no mampahatsiahy fa ny hany tranga tokana ahafahana mifidy amin’ny kara-panondrom-pirenena dia ny fahaverezan’ny kara-pifidianana, araka ny voalazan’ny lalàna mifehy ny fifidianana.

Ramano F.

 

Dans la mĂªme rubrique

24-août-2026

Roa maty nihotsahan'ny tany, roa naratra mafy

Card image cap