airtel

Actualités

09-janv-2026

Fihoaram-pefy amin’ny tambajotran-tserasera

Raikitra ny fampiharan-dalàna sy fanenjehana ara-pitsarana…

Sample post image

Hanenjana eo anatrehan'ny fihoaram-pefy

09-janv-2026

sy fandikan-dalàna miseho amin'ny endrika fanalam-baraka, fanelezana vaovao tsy marina, fanasoketana, fanakorontanana Fanjakana, fampisavorovoroana saim-bahoaka,... miha mahazo vahana eny amin'ny tambajotran-tserasera ny Fanjakana. Mihatra avy hatrany ny fanenjehana ara-pitsarana ary efa an-dalana raha ny voalazan'io seraseram-panjakana io. Nilatsaka ny fanambarana ofisialy teo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika mikasika ny fanehoan-kevitra amin’ny tambajotran-tserasera, izay nanamarika fa malalaka tokoa amin’izao fotoana izao ny fahafahan’ny olom-pirenena maneho hevitra sy mandray anjara amin’ny adihevitra momba ny raharaham-pirenena. Na izany aza, tsikaritra fa misy kaonty sy pejy manararaotra izany fahalalahana izany ka manompa, mandranitra fankahalana ary manitsakitsaka ny hasin’ny maha-olombelona sy ny mpitondra ambony, ka raisina ho fanitsakitsahana ny hasin’ny Andrim-panjakana ihany koa, hoy ity fanambarana ity. Nambara mazava fa ireo fihetsika ireo dia heloka voafaritra ao amin’ny Lalàna laharana 2014-006 momba ny ady amin’ny heloka an’habaka (loi sur la cybercriminalité) sy ny Lalàna laharana 2016-031 izay mitondra fanitsiana momba izany. Araka ny fanazavana, efa an-dalana ny fanenjehana ara-pitsarana ireo rehetra nihoa-pefy mba hahazoana antoka fa ny fahalalahana maneho hevitra dia ho amin’ny tombontosan’ny besinimaro, fa tsy ho fitaovana hanimbana ny hasin’ny olona sy ny Andrim-panjakana. Nambara tao anatin'ny serasera nosoniavin-dRahajason Harry Laurent, Talen’ny Serasera eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, fa tonga ny fotoana hanapahana tanteraka ny fomba mamohehatra amin’ny tambajotran-tserasera ary hampiharana ireo fepetra rehetra voafaritr’ireo lalàna voatonona mba hanjakan’ny tena tany tan-dalàna eto amin’ny Firenena. Zava-dehibe ny fandraisana andraikitra eo anatrehan'ny fandikan-dalàna mihoampampana. Vao tsy ela ohatra no niparitahan'ireo taratasy hosoka maro misy sora-bola be lazaina fa raisin'ny olona ambony,... Vao afak'omaly no nanao fampahafantarana tamin'ny alalan'ny horonantsary ny Tonia Mpampanoa Lalāna Ambony eo anivon'ny Fitsarana Ambony Antananarivo, RAZAFINDRALAMBO Didier Alban Andriamahazonoro fa misy andian'olona voakarama miezaka manaratsy tomponandraikitra ao anaty tambazotra sosialy ka isan'ny voakasik'io fanaratsiana io ny tomponandraikitra ambony eo anivon'ny Fitsarana. Efa talohan'ny faran'ny taona teo, hoy izy, no nahatsikaritra an'izany izahay,hoy izy , ka nampatsiahy manoloana izany ny tenany fa mananjo sy fahalalahana hiteny sy haneho hevitra ny tsirairay saingy kosa misy fetrany izany ary azo enjehina ny olona iray raha mihoapefy makany amin’ny fanasoketana sy fanaratsiana olona tsy misy porofo. Ampahany ireny fa betsaka ny endrika isehoany.

Fanao ny mitsikera, manakiana,... satria tena taratry ny demokrasia fa ny fanelezana sy famoronana vaovao diso hoentina hamotehana olona, hampisavorovoro, hanakorontana Fanjakana kosa dia heloka sy fandikan-dalàna. Tsiahivina hatrany, fa tsy mitovy velively ny gaboraraka sy ny fahalalahana ary samihafa ihany koa ny jadona sy ny fampiharana ny Fanjakana tan-dalàna. Mila mahay mandray sy manivavana ny marina sy ny tsaho ihany koa ny olom-pirenena satria tena betsaka ireo fivoizana vaovao tsy marina hiteraka korontana sy fifankahalana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

06-févr-2026

politika sy mpitondra ny mitandrina vava tsy ambina!»

Card image cap
06-févr-2026

amin'izao Fitondrana izao

Card image cap
06-févr-2026

ny famerenana ny tan-dalàna ny Maorisianina

Card image cap
06-févr-2026

noraisina ny masoivoho vaovao

Card image cap
06-févr-2026

Nampiana 1,82 tapitrisa hekitara ny faritra arovana vaovao

Card image cap