airtel

Actualités

11-mars-2024

Fikambanana AVOTRA,

Distrikan’Ambohitratrimo Fambolen-kazo no nanamarihana ny andron’ny vehivavy

Sample post image

Toy ny isan-taona, fambolen-kazo no nentin’ny vehivavy avy

11-mars-2024

amin’ny distrikan’Ambohidratrimo mivondrona ao anatin’ny fikambanana AVOTRA na Andry sy Vonjin’ny rehetra, nanamarika ny andron’ny vehivavy, izay nomarihina ny faran’ny herinandro teo. Zanakazo kesika sy kininina miisa 1000 fototra no novolena tamin’ity hetsika ity ho fandraisana anjara amin’ny adidy ho an’ny firenena dia ny famerenana ny tontolo ho maitso noho ny fahatsapana fa tena sola ny tany no niaingan’ny hesika. Arahana fanaraha-maso izany mba tsy ho very maina ny ezaka atao, hoy ny filohan’ny fikambanana Rafenomanana Oniarisoa Fenitriniaina ka ametrahana mpiambina sy mpikarakara isaky ny kaominina nolalovana. Tsy tokony ho tsinontsiniavina ny vehivavy fa mitondra antoka maro ho amin’ny fampandrosoana, hoy ny fanazavany. Manome ohatra izany ny fisian’ny fiandraiketana lehibe sahanin’ny vehivavy amina sokajin’asa rehetra, hatrany amin’ny fitondrana firenena. Ilàna fandraisana andraikitra mafimafy kokoa ny fampiharana ny lalàna amin’ny herisetra mianjady amin’ny zaza amam-behivavy, izay nanomboka niseholany tato ho ato, hoy hatrany ny antso nataon-dRafenomanana Oniarisoa Fenitriniaina Filohan’ny Fikambanana AVOTRA.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap