amin’izao fotoana izao ny FIKRIZAMA (Fikambanan’ny Kristiana Mitaiza Zazavavy eto Madagasikara), fikambanana efa hatramin’ny taona maro no miasa sy manana fotodrafitrasa voasoratra ara-dalàna. Voalaza fa misy ampahan-tanin’izy ireo ao Ambatomaro, Antsobolo, izay efa manana taratasy sy antontan-taratasy ara-panjakana feno (titra sy “bara”), voafindra amin’ny anaran’olon-tsotra. Araka ny fanazavan-dRavelomanana Bakoly Lalao, Filoha Nasionalin’ny FIKRIZAMA, dia nahatsapa ho voatohintohina sy voahitsakitsaka ny zon'ny fikambanana, satria tsy afaka nanatrika ny fotoam-pitsarana izy ireo. Antony nahatonga izany dia ny “convocation” na fiantsoana avy amin’ny Fitsarana no natao fanahy iniana nalefa tamin’ny adiresy tsy misy ifandraisany amin’ny foibe ny fikambanana, ka nitarika ho fandresen’olona hafa ho azy ilay ampahan-tany. Misy adiresy ofisialy mazava tsara anefa ny FIKRIZAMA eny Andavamamba ary mañana boîte postale koa izay ireo.Tao amin’io boîte postale io no tonga soa aman-tsara ny fiantsoana voalohany. Rehefa tonga anrga ny taratasy misy ny daty sy fotoana fitsarana, dia tany amin’ny Lot IVD 18 A, Behoririka no nalefa izany, adiresy tsy an’ny fikambanana ary tsy misy ifandraisany aminy akory.Io fomba fanao io, noa anisan’ny paikady mahazatra ataon’ireo “mpiray tsikombakomba mpangalatra tany”. Nivoaka ny didy manome olon-tsotra ilay ampahan-tany, noho izany ka lasan’izy ireo ny 27 Oktobra lasa teo izany. Araka ny nambaran-dRavelomanana Bakoly Lalao, dia “KOLIKOLY AVO LENTA” ity tranga ity, satria manokatra varavarana ho amin’ny kolikoly sy fandikan-dalàna mivantana amin’ny zon’ireo fikambanana tsy miankina eto Madagasikara. Manoloana izany, miantso mivantana ny Minisitra Fanirisoa sy ny tompon’andraikitra rehetra ny FIKRIZAMA hijery akaiky sy handinika haingana ny raharaha, mba tsy hiharan’ny tsindry sy ny fanodikodinam-pitsarana ny fikambanana. Manantena ny FIKRIZAMA fa haverina ho eo amin’ny laoniny ny zony, ary hisy fandraisana andraikitra hentitra ho fisorohana ny fitohizan’ity fomba fanao mandrava ny fahatokisan’ny vahoaka ny Fitsarana ity. Ny raharaha dia mbola mitohy, ary miandry ny fepetra raisin’ny tompon’andraikitra ny fikambanana kristiana FIKRIZAMA.
Pati
Légende : Ireo tompon'andraikitra nitafa tamin'ny mpanao gazety omaly !