Hatramin’ny 18 novambra 2025 niorenany ara-panjakàna, araka ny famantarana na «récépicé» laharana 2369/25-MID/SG/PRF.POR.AMT/ASS, izay manana birao ao Ambatomitsangana, Lot IVC 84, Antananarivo, dia ny ady amin’ny kolikoly no antom-pisian’ny fikambanana na «association» Mazava, hoy ny fanambaràn’izy ireo tetsy amin’ny kolejy Louis Rafiringa Faravohitra ny sabotsy teo. Miara-miasa akaiky amin’ny Bianco izahay, hoy izy ireo, izay mifantoka amin’ny fanabeazana sy fisorohana kolikoly. Miisa 3 ny filamatra dia fanabeazana, fanentanana, fifanampiana. Mila koloina sy beazina dieny izao ny ankizy hahasahy hiady sy handà kolikoly hahafahany manatsara ny hoavy. Ahafahany manabe ny olompirenena ho vanona izany. Ny fanentanana kosa dia fampahalalàna ny vahoaka ny zony amin’ny lafiny miisa 2. Eo ny vahoaka na olompirenena fa eo koa ireo misehatra amin’ny fampahafantarana izany. Ny fifanampiana moa dia fanomezana torolalana sy torohay ho an’ny vahoaka amin’ny fomba hiatrehana ny trangana kolikoly amin’ny sehatra rehetra. Ny tanjona dia ny hahafahan’ny rehetra miady amin’ny kolikoly sy ampihena ny tahan’izany, izay avo dia avo eto amin’ny firenena ary iarahan’ny rehetra mahalala izany. Ny fisian’ny tsy fahasahiana sy tahotra ao amin’ny tsirairay no hita ho olana fototra amin’ny ady amin’ny kolikoly hatreto. Tsy ady amin’ny vola mivantana ny ady amin’ny kolikoly fa misy koa ny atao hoe «trafic d’influence» na tsindritsindry samihafa, ny fanodinana volam-panjakàna, maro ny fomba hitrangàny izay efa anaty rafi-pisainan’ny olona ka antony itaizàna ny olompirenena izany mba hizotra amin’ny fahintsiana sy fahendrena malagasy. Zava-dehibe, noho izany, ny fanentanana ka an-dalana ankehitriny ny fandrafetana boky, boky kely, taratasy hanentanana ny vahoaka. Hiara-hiasa amin’ny mpanao gazety ny fikambànana anatin’izany. Misy tokony atonta, ohatra izao, mikasika ny fampiofànana ny vahoaka momba ny zo sy andraikitra maha olompirenena azy. Eo koa ny hoe anjaran’ny demokrasia tena izy eto Madagasikara. Eo amin’ny resaka demokrasia no tena mipetraka ny kolikoly. Fividianana safidim-bahoaka no tontolontsika hatramin’izay ary eo koa ny fanagiazana na «lobbing» samihafa. Isan’ny mila atonta koa ny resaka fanabeazana politika, izany hoe, ahoana, ohatra, no tokony ho firafitry ny atao hoe politika amina firenena iray fa arakaraky ny maha donto ny vahoaka no tsy ahalalàny ny anjara andraikitry ny mpitondra ao aminy sy ny zony dia hanjaka foana ny kolikoly. Hatreto, ny fikambanana dia mbola nimasoany aloha ny teo amin’ny fitadiavana vola satria vao miorina. Nitohy izany tamin’ny fametrahana sy fandaminana ny rafitra mba hampandeha matomatotra kokoa ny fikambanana. Mbola anaty dingana fa tsy vokatra aloha izany isika hatreto, hoy hatrany ny fikambanana.
J. Mirija
Namonjy ny volany 100 000Ar, kinanjo natelin’ny rano i Dety