airtel

Actualités

30-juil-2026

Fikaonandoha momba

ny fanabeazana Tena lavitra ny ezaka!

Sample post image

Maresaka tao anatin'ny 10 volana

30-juil-2026

teo moa izao ny atao hoe fikaonandoha. Nandeha sy mandeha daholo ity karazana fikaonandoha rehetra ity hoe mialohan'ny tena hanatanterahana ilay fikaonandoham-pirenena marina. Teo ny fikaonandoha Kristianina, ny fikaonandohan'ny tanora, ny fikaonandohan'ny mpitsara sy ny hafa maro tsy voatanisa. Raha ny trangam-piarahamonina miseho lany eto amin'ny firenena hatramin'izao aloha, ankoatran'ireo efa voalaza teo sy ny fikaonandoha mikasika ny fahandriampahalemana, dia heverina ho isan'ny lavitra ezaka indrindra hatramin'izao ny fikaonandoha momba ny fanabeazana. Rehefa mijery ny loton'Antananarivo fotsiny, ohatra, izay renivohitr'ity firenena ity saingy isan'ireo renivohitra maloto indrindra eto ambonin'ny tany koa, dia hita ho isan'ny tena mandray anjara amin'ny nahatonga izany tsy fahalavorariana izany ny tsy fahatomombanan'ny fanabeazana eto amin'ity firenena ity. Voaporofo ny tsy fahatomombanan'ny fanabeazana maha olompirenena manoloana ireo fanariana na fanaovana maloto etsy sy eroa. Ireo tena heverina ho isan'ny tokony ho isan'ny filamatra mihitsy aza moa no misy manondrana, raha ny sary hita ho niparitaka tamin'ny tambazotran-tserasera omaly. Ny fanabeazana ireo zaza madinika moa dia efa tena mampahonena rahateo, indrindra, rehefa midina any ambany ravinkazo lavitra any. Maro ireo sekoly tena hoe mitafo lanitra ara-bakinteny. Tsy manana na dabilio sy solaitrabe aza. Tena lavitra ezaka...
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

31-juil-2026

Naneho ny ahiahiny ny governemanta Amerikanina

Card image cap
31-juil-2026

voasambotra sy voatsara…

Card image cap
31-juil-2026

Efa nilatsaka ny didy, tsy maintsy haverina ny fifidianana

Card image cap
31-juil-2026

hamaritra ny fivoahany na tsia…

Card image cap
31-juil-2026

ny reniny sy zokiny

Card image cap
31-juil-2026

Tavela ao Fianarantsoa nanomboka tamin'ny Alahady

Card image cap