airtel

Actualités

29-févr-2024

FIKASANA HANOLANA

3 lahy voasambotra tao Mahajanga

Sample post image

Lehilahy miisa 03, 44 sy 37 ary 21 taona no voasambotry ny Polisy miasa ao

29-févr-2024

amin 'ny PPA Mahavoky atsimo /Mahajanga Fitaleavam - paritry ny Filaminam - bahoaka Boeny tao amin ' ny fari - piadidiany ny 27 Febroary teo rehefa nikasa hanolana zazavavy kely tsy ampy taona miisa 02 no sady nandrahona azy ireo ho faty tamin'ny alalan'ny fampiasana fitaovam-piadiana toy ny Antsy . Ny alin' io 27 Febroary io raha tsiahivina dia zazavavy kely miisa 02, 12 taona avy, handeha hamonjy fodiana nihazo ny lalana "village Touristique "ao Mahajanga no nifanena tamin’ny andian-dehilahy miisa telo. Tsikaritr ' ireto farany fa nandeha irery izy ireo ka nitsiry avy hatrany ny hevitra nikasa ny hanolana. Niezaka ny nanohitra sy nanda moa ireo niharan ' ny herisetra saingy norahonan'iretsy olon-dratsy ho vonoina tamin'ny antsy teny aminy. Polisy miasa ao amin ' ny PPA Mahavoky Atsimo, nanao fisafoana tsy lavitra teo no nantsoin ' ireo manodidina sy ny andrimasom-pokonolona nahare ny antsoantson ' ireo zazavavy kely.Tonga ara - potoana ireo mpitandro ny filaminana ka noraisim - potsiny ireo mpanao ratsy. Nasaina nanatona ny Sampan - draharaha misahana ny zaza tsy ampy taona any an - toerana moa izy roavavy. Noentina eny amin ' ny Kaomisaria foibe kosa ireo lehilahy 03 nanohizana fanadihadiana izay hiakatra fitsarana anio Alakamisy 29 Febroary.
Pati
Legende: Ireto izy telolahy sy ilay antsy saika hohampiasainy !

 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap