airtel

Actualités

19-avril-2024

Fikirakirana vola amin’ny finday

Teraka ny “MVola Fô” mety amin’ny laharana rehetra

Sample post image

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

19-avril-2024

teknolojia fikirakirana vola misokatra laharana finday rehetra eto Madagasikara. Ahafahana manokatra kaonty MVola avokoa manomboka eto ny laharana rehetra miantomboka amin’ny 032 na 033 na 034 na 037 na 038 amin’ny alalan’ny fanokafana application MVola amin’ny Playstore, Google play,… raha ny fanamafisan-dRtoa Lina Ramiandrisoa Tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny MVola. Afaka misitraka avy hatrany ny tolotra rehefa mahavita ny fisoratana anarana amin’io, ka afaka manao petra-bola na misintona eny amin’ireo “cash point” misy Mvola rehetra. Tafiditra ao anatin’io hatramin’ireo fanaovana tahirim-bola, findramam-bola na koa fiantsenana amin’ny alalan’ny finday aza, rah any fanamarihana. 14 taona ankehitriny ny tolotra MVola, ary raha ny laharana 034 sy 038 dia mahatratra 13 tapitrisa hatreto ireo mpanjifa iombonana amin’ny Telma, raha ny fanazavana. « 14 taona aty aoriana, mbola manamafy hatrany ny vina napetrany hatrany am-boalohany mba hisitrahan’ny vahoaka malagasy ny atao hoe « inclusion financiere » ny MVola hanomezana vahana ny rehetra amin’ny fikirakirana vola amin’ny fomba tsotra sy voaaro ary manaraka ny teknolojia satria mendrika hisitraka izany ny vahoaka Malagasy, hoy I Louis-Olivier Favot Tale Jeneralin’ny MVola Fô. Ambany ny taham-pamindrana vola raha mampiasa ny MVola Fô, ary maro sy nohamoraina avokoa ireo karazana tolotra MVola rehefa miditra ao amin’ity MVola Fô ity satria mpihena 50% ny saran'ny fandefasana vola ao anatin'io application io, hoy ny fanazavana. Milaza moa ny MVola teo anatrehan’ny fanontanian’ny mpanao gazety fa tsy misy olana amin’ireo orinasa mpifaninana hafa io fivelaran’ny tolotr’izy ireo amin’ny laharana ivelan’ny Telma io.
Toky R

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap