airtel

Actualités

17-nov-2025

Filoha Randrianirina Michael

«Tsy valifaty fa ady amin’ny tsy maty manota !

Sample post image

Mbola maro ny dosie ho avy eo ! »

17-nov-2025

Namaly ny hetahetam-bahoaka izahay, efa andro maro nialohan’izay no niantsoana ny tafika handray andraikitra. Hetahetan’ny vahoaka no novaliana fa tsy fanonganam-panjakana ary mijoro ara-dalàna ny fitondram-panjakana ankehitriny. Tsy nitifitra olona izahay fa ny miaramilanay aza no notifirina teo Andrefan’Ambohijanahary, hoy ny Filoham-panjakana Randrianirina Michael omaly tamin’ny fandaharana manokana. Tsy teo ny Filoha, ny antenimierandoholona tsy nisy filoha, tsy feno ny governemanta fa 4 fotsiny,… Efa ambivitry ny ady an-trano ny Firenena, tsy hay hoe inona no hatao, raha tsy nisy an’ireny fanapahan-kevitry ny HCC ireny. Tsy nisy fanonganam-panjakana fa ara-dalàna ny zavatra rehetra. Tsy vitan’ny mpitondra samirery, ary tsy vita iray andro ny fanavaozana fa fiaraha-misalahin’ny rehetra. Raha tsy miova ny toe-tsaina dia herim-po very maina. Ny tena mahasimba ny Firenena dia ny toe-tsaina, ohatran’ny efa voataiza amin’ny kolikoly. Efa maneho ny Fanjakana fa tsy manaiky vidiam-bola. Nentina tamin’ny resabe hoe olon’i Mamy Ravatomanga ny Praiminisitra. Tokony hanova toe-tsaina isika fa tsy hoe izay mipoitra eo dia lazaina fa olon’i ranona. Mety tadiavin’ny Firenena anefa ilay olona. Ny mety fiaraha-miasa na fifampikasihana kely tatsy dia avadika olana be. Tena teknisianina ny Praiminisitra, maro ireo olon’ny governemanta mety mpanao politika fa tena ny fahaiza-manaony no nakana azy, ary saika teknisianina avokoa ny nifantenana azy, 5 na 6 amin’ny 29 eo ny mpanao politika, hoy ny Filoham-panjakana.

HOJERENA NY FAMPIANARANA
Betsaka ny fanovana hoentina, toy ny tontolon’ny fampianarana, izay fanavaozana tiana hoentina ny fanomezana vahana ny teny Malagasy satria ny teny vazaha sy tantaran’ny vazaha no nianarana teto, kanefa tsy fantatsika akory ny zava-nisy tany Menabe, Fianarantsoa,… Isan’ny tena hojerena ny fampianarana, ka halamina ny vatsim-pianarana, nakarina ny « indemnité » an’ny mpampianatra any amin’ny LFI, hampitomboina ny isan'ny mpampianatra hialàna amin'ny FRAM izay mampadoa vola ireo Ray aman-dReny efa sahirana,… Saika nihena ny tetibolan’ny Minisitera ankoatra ny an’ny Fanabeazam-pirenena. Tsy toy izao isika raha tsy nisy ny mpampianatra, hoy ny Filoha.

TSY RESAKA VALIFATY POLITIKA, HAMONGOTRA NY FANETRIBEN’NY FIRENENA
Nahitsy ny Filoha nilaza fa Tia tanindrazana ny Malagasy fa tsy manaiky fendrofendroina, hiezaka ny Fanjakana, tsy hihemotra,… na dia misy te hanongana sahady aza, hoy ny Filoha izay nanamafy fa tsy hamitaka vahoaka fa hovitaina anatin’ny 2 taona ny fanovana. Vonona hanaisotra izay mipetraka ho vato misakana, hanao kolikoly,… Ny « perquisition » dia tohin’ny fanadihadiana ataon’ny fitondrana. Vao nilatsaka voalohany teo amin’ny 13 mey aho, dia niteny hoe kristianina. Raha tsy kristianina dia nanao valifaty izahay tamin’ny fitifirana miaramila, fa ny natao dia ny hoe : ny naniraka azy no andao hoesorintsika. Nianiana tamin’ny Malagasy raha nandray ny fahefana fa hiady sy hanenjika ny fanetriben’ny Firenena. Nisy dosie maro nafenina tamin’ny Fitondrana teo aloha. Efa misy ny mandeha fa mbola betsaka ny dosie ho avy eo, toy ny SMMC, SMGD, JIRAMA, SPM,… hoy ny Filoham-panjakana. Ho an’ny Jirama manokana dia tena fahalovana nandritra ny fotoana ela no harenina. Anatin’ny tanjona fohy ezaka ny fanentsenana tsikelikely ny banga, ny lavitr’ezaka dia ny fiovana makany amin’ny herin’ny masoandro. Mametraka ny arofanina ho an’ny Fitondrana fa tsy misy ny tsy maty manota. Efa namoaka ny Praiminisitra fa manomboka izao dia azo tsaraina any amin’ny tribonaly ambaratonga voalohany avokoa. Nametraka Bianco, SAMIFIN, CSI,… fa nankaiza ny ady amin’ny kolikoly. Tokony hapetraka ny fiadiana amin’ny famotsiam-bola satria ao no tena iavian’ny kolikoly. Nanamafy fa tena hanao ny ezaka hampihena ny kolikoly ny Fanjakana.

TSY VOATERY HAHAZO TOERANA DAHOLO, MILA MANOVA TOE-TSAINA
Lasa mieritreritra ny olona fa ny toerana anaty Fanjakana no mahatafita, lasa tery ny fotoanan’ny mpitondra satria tsy maintsy mandray sy mihaino ireo olona. Lasa tolona ho an’ny tombotsoan’olon-tokana. Hiezaka hanome sehatra ny tanora hahafahany miresaka, tsy voatery hahazo toerana daholo. Any amin’ny « concertation nationale » no tena hametrahana ny fototra matanjaka hametrahana ny Repoblika hahafahan’ny Malagasy miaina anaty fiainana vaovao. Nandalo krizy maro isika niainga tany amin’ny 1972, 1975, 1991, 2001, 2009, 2018, 2025 ka ny tsy hiverenan’ny tahaka ireny no antony hametrahana fototra tsara, raha ny nambaran’ny Filoha hatrany.
Toky R

 

 

 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap