Resy lahatra tanteraka ny Filohan'ny Fanavaozana ny Kolonely Randrianirina Michael fa amin'ny alalan'ny fivavahana irery ihany no hahafahana mandresy ny haizina eto amin'ny firenena. Raha fehezina dia ny Fiangonana irery ihany aminy no hany lalana hahafahana manavotra an'i Madagasikara. Izany indrindra no antony nanekeny ny fanasan'ny Fiangonana Apokalipsy azy tetsy Mahamasina afak'omaly Sabotsy 08 Aogositra nandritra ny fankalazan'ity Fiangonana ity ny faha-30 taona niorenany. Ankoatra izay hoy izy dia ho fanatanterahako ny teny izay nataoko nandritra ny fihaonana tamin'ny FFKM toy ny hoe : izay finoana na Fiangonana mitrotro am-bavaka ny firenena ka mañasa ahy dia ho avy aho hanotrona azy. Tena mila vavaka ny firenena hoy hatrany ny Filohan'ny Fanavaozana. Notsiahiviny moa fa tamin'ny fotoana niorenan'ny Fiangonana Apokalipsy tamin'ny taona 1996 no nahamay ny Rovan'i Manjakamiadana. May indray ny Rovan'Ambohidratrimo hoy izy tao anatin'zao faha-30 taona niorenan'ny Fiangonana izao izay midoika fa mbola misy haizina tokony horesena eto amin'ny Firenena. Miantso ny Malagasy rehetra mba hitrotro am-bavaka ny Firenena araka izany ny tenany hahatanteraka ny faminanian'ny Neny Volahavana Germaine izay nilaza fa amin'ny alalan'ny fifohazana no hanavotan'i Jesosy an'i Madagasikara. Ny tenin'Andriamanitra voasoratra ao amin'ny Apokalipsy 21:5 sy ny Deotornomia 28:7 moa no novakiany sy natolony ho an'ny Fiangonana nandritra ny famaranany ny teniny. Fantatra ihany koa fa hanomboka amin'ity volana Aogositra ity ny asa fanamboarana ny kianjan'i Barea Mahamasina mba hahazoana fankatoavana avy amin'ny FIFA.
Pati
Légende : Ny Filohan'ny Fanavaozana ny Kolonely Randrianirina Michael nandritra ny kabariny tetsy Mahamasina !