airtel

Actualités

22-avril-2026

FILOHAN'NY SMKAR

Avelao aloha hiasa ny PDS

Sample post image

Avelao aloha hiasa ny Filohan'ny

22-avril-2026

delegasiona manokan'ny tananan'Antananarivo hoy Raharijaona Jean François Filohan'ny sendika mahaleotenan'ny kaominîna Antananarivo renivohitra na ny SMKAR. Ny asa vita no hifampitsarana hoy izy. Ho an'ny SMKAR manokana na dia nangataka olona tsy miandany amin'ny atsy sy ny aroa na avy amin'ny antoko politika hapetraka ho PDS aza izy ireo dia tsy manohitra velively ny fanapahan-kevitra noraisin'ny Fitondram-panjakana kosa amin'ny maha-tompom-pahefana feno ireto farany. Efa Ralambomanana Feno no nomena ny toerana hoy izy dia aleo hataony aloha ny asa. Mety aminay rehefa mamaly ny filan'ny mpiasa sy ny hetahetan'ireo vahoaka marobe eny ifotony mandoa hetra isam-bolana. Notsiahivin-dRaharijaona Jean François moa fa tompon'antoka koa ny sendika rehefa tsy mandroso ny tanana. Mitaky vokatra mahomby ihany koa izy ireo noho izany ho tombontsoan'ny olom-pirenena.
Pati
Légende : Izy no Raharijaona Jean François, Filohan'ny SMKAR !
 

Dans la même rubrique

19-juin-2026

no tsy manao ezaka mianatra»

Card image cap
19-juin-2026

Haverina ny lanjan’ny fampianarana teknika », hoy ny Minisitra Todisoa

Card image cap
19-juin-2026

lehibe ny tananan'i Talatamaty

Card image cap
19-juin-2026

nalentiny tao anaty rano ny zanany

Card image cap
18-juin-2026

manoloana ny raharaha Iran sy Etazonia

Card image cap
18-juin-2026

Lehilahy iray mpanao saribao naiditra am-ponja vonjimaika

Card image cap