Nitsidika ireo niharam-boina nandritra ny tolom-bahoaka nitranga tany Antsiranana nanomboka ny 25 septambra 2025 omaly ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kolonely Michael Randrianirina, niaraka tamin’ny vadiny. Nofidiany manokana i Antsiranana amin’izao fitsidihana ny tapany avaratr’i Madagasikara izao ho fanehoana firaisam-po sy fanohanana ireo fianakaviana traboina, hoy ny fampitàm-baovao voaray. Tsy ho raraka an-tany ny rà nalatsaky ny zanantsika nandritra ilay tolona mafy niarahana nanao, hoy ny filohan’ny fanavaozana. Nanome voninahitra manokana ny herim-po sy ny fahasahian’ny tanora any amin’ny faritra avaratra ary ireo rehetra niara-nientana tamin’ny tolona izy nandritra ny fitsidihana. Niarahany tamina minisitra maromaro moa ny dia. Hanombana ny fandrosoan’ireo tetikasa sy praograma ataon’ny fanjakàna ao amin’ny faritra Diana ary koa ny hanamafisana ireo asa laharam-pahamehana ho an’ny fampandrosoana maharitra no anton-dia, hoy hatrany ny fanampim-baovao voaray.
Nangonin’i J. Mirija
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»