Efa eo am-panomanana sahady ny hetsika ara-panatanjahantena, Mahery Futsal andiany faharoa amin’izao fotoana izao ny fikambanana Fief Mada, hoy ny filohany, Jean François Raharijaona. Hetsika kasaina ho fanao in-dray mandeha isan-taona moa io, hoy izy. Tanjona ny hahatsara lavitra izany mihoatran’ny vita tamin’ity taona ity. Heritreritra ny hitondra zava-baovao ho sady fahafinaretan’ny maso no sady handrisika ireo mpandray anjara ihany koa. Aleo tsy manao toy izay manao kitoatoa! Hetsika ara-panatanjahantena no omanina fa sady fitaizam-batana izany no fitaizam-panahy sy saina na dia baolina kitra anaty trano aza. Tena fanabeazana ny olompirenena ho olom-bonona sy vanona ary tomponandraikitra no tanjon’ny Fief Mada hatramin’izao. Tsy afaka hanantena hoavy tsy mampanahy raha tsy miara-mientana isika amin’ny sehatra misy antsika tsirairay. Marary ny fanabeazana eto Madagasikara ka any anatin’ny hetsika toy ireny no hahafahana mitondra hafatra sy manabe mba ho mora raisin’ny olona kokoa. Na dia manahirana aza ny «décalage horaire» na ny tsy fitovian’ny ora any amin’ireo firenena mandray ny amboara erantany eo amin’ny baolina kitra sy ny eto Madagasikara dia miezaka manaraka ny amboara erantany ihany. Maka Espagne ny tena amin’ny famaranana ary mahita fa mandresy 2 noho 1 an’i Argentine izy ireo. Naha be adihevitra be ity amboara erantany indray mitoraka ity, indrindra, ny lafiny fikarakaràna sy fitsaràna. Isan’ny nampiady hevitra, ohatra, ny fihaonana teo amin’ireto Argentin ireto tamin’ireo solontena afrikanina toa an’i Cap Vert sy Egypta. Petahan’ny olona anarana hoe «Zanaky ny FIFA» mihitsy moa izao ny Albiceleste. Somary maha lasa saina ihany hoe fifaninanana iraisampirenena goavana indrindra toy izao no maha be ahiahy sy ahitàna fitongilànana miharihary amin’ny ekipam-pirenena sasantsasany mihitsy. Isany koa, ohatra, ilay hoe antson’ny filoha amerikanina tamin’ny filohan’ny Federasionina iraisampirenenan’ny baolina kitra na FIFA no nanapahan-kevitra hanafoana karatra mena azona mpilalao amerikanina iray, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija