airtel

Actualités

25-févr-2026

Finiavana mivarotra vary simba

Handray fepetra ny minisiteran'ny varotra

Sample post image

Vary 3 kamiao, milanja 96 taonina,

25-févr-2026

izay simba tratry ny rano taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani no sarona saika hamidy tao Ambatolampy, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Hisorohana ny fiparitahan’ny vary simba eny an-tsena dia hisy ny fanaraha-maso akaiky hatao, hoy ny ministeran'ny varotra. Hampihatra ny lalàna sy ny sazy ny minisitera ho an’izay minia mivarotra ireny vary simba ireny, hoy ihany ny fanazavana. Tsy vao izao no nitrangana finiavana hanao karazam-barotra tahaka izao, raha tsiahivina, fa saika nahitana izany hatrany anefa taorianana fandalovana voina toy izao rivodoza izao teto amin'ny firenena. Antony, raha tsiahivina ny fanazavana isan'ny voaray tamin'ny fotoan'andro, ny fanararaotana ny fahantran'ny mpiray tanindrazana. Samy nahatsiahy ny trangana fandoaran'ireo mponina ilay vary simba nilevina tao andrefana tao rahateo ny mpanara-baovao rehefa maheno tranga toy itony. Tranga izay niseho tanatin'ny fitondrana teo aloha!
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

23-oct-2026

Sinoa iray tratra nitondra volamena

Card image cap
23-oct-2026

Manome lanja ny tontolon’ny

Card image cap
23-oct-2026

Misy vatsim-pianarana 12 hiofanana atsy Maorisy

Card image cap
23-oct-2026

Hiverina amin’ny heriny, eny

Card image cap
22-oct-2026

tohin’ny afera Nosy Be Hell Ville…

Card image cap
22-oct-2026

Notsipahan’ny HCC ny andininy miisa roa

Card image cap