airtel

Actualités

25-févr-2026

Finiavana mivarotra vary simba

Handray fepetra ny minisiteran'ny varotra

Sample post image

Vary 3 kamiao, milanja 96 taonina,

25-févr-2026

izay simba tratry ny rano taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani no sarona saika hamidy tao Ambatolampy, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Hisorohana ny fiparitahan’ny vary simba eny an-tsena dia hisy ny fanaraha-maso akaiky hatao, hoy ny ministeran'ny varotra. Hampihatra ny lalàna sy ny sazy ny minisitera ho an’izay minia mivarotra ireny vary simba ireny, hoy ihany ny fanazavana. Tsy vao izao no nitrangana finiavana hanao karazam-barotra tahaka izao, raha tsiahivina, fa saika nahitana izany hatrany anefa taorianana fandalovana voina toy izao rivodoza izao teto amin'ny firenena. Antony, raha tsiahivina ny fanazavana isan'ny voaray tamin'ny fotoan'andro, ny fanararaotana ny fahantran'ny mpiray tanindrazana. Samy nahatsiahy ny trangana fandoaran'ireo mponina ilay vary simba nilevina tao andrefana tao rahateo ny mpanara-baovao rehefa maheno tranga toy itony. Tranga izay niseho tanatin'ny fitondrana teo aloha!
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap