Ankatoka ny datin’ny 2 novambra 2025, izay hanamarihana ny fijoroan’ny Fiombonan’ny mpanao gazety Kristianina malagasy na FMGKrima. Araka ny fampahatsiahivan’ireo tomponandraikitra eo anivon’ity fikambanana ity moa dia hisy amin’io fotoana io ny fanompoam-pivavahana arahina rindran-kira goavana hanasàna ny rehetra. Hanafàna ny fotoana ireo mpihira ara-pilazantsàra heverina ho goavana toy ny STK ifarihy famonjena, STK Antsan’ny Gileada, STK Ambodihady vaovao, Groupe Shyir, Chorale Trompetra polisim-pirenena, Groupe Miantefa, STK Anosibe Zaivola, Fara Andriamamonjy. Eny amin’ny FJKM Ambodihady vaovao kosa no fotoana manomboka amin’ny 2 ora sasany tolakandro amin’io daty voalaza teo io. Hijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy amin’ny atao rehetra no tarigetran’ny fikambanana, raha ny fanazavàna hatrany.
Nangonin’i J. Mirija