airtel

Actualités

29-oct-2025

Fiombonan’ny mpanao gazety

Kristianina malagasy

Sample post image

Hijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy amin’ny atao rehetra

29-oct-2025

Ankatoka ny datin’ny 2 novambra 2025, izay hanamarihana ny fijoroan’ny Fiombonan’ny mpanao gazety Kristianina malagasy na FMGKrima. Araka ny fampahatsiahivan’ireo tomponandraikitra eo anivon’ity fikambanana ity moa dia hisy amin’io fotoana io ny fanompoam-pivavahana arahina rindran-kira goavana hanasàna ny rehetra. Hanafàna ny fotoana ireo mpihira ara-pilazantsàra heverina ho goavana toy ny STK ifarihy famonjena, STK Antsan’ny Gileada, STK Ambodihady vaovao, Groupe Shyir, Chorale Trompetra polisim-pirenena, Groupe Miantefa, STK Anosibe Zaivola, Fara Andriamamonjy. Eny amin’ny FJKM Ambodihady vaovao kosa no fotoana manomboka amin’ny 2 ora sasany tolakandro amin’io daty voalaza teo io. Hijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy amin’ny atao rehetra no tarigetran’ny fikambanana, raha ny fanazavàna hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

09-oct-2026

Misy fanakorontanana

Card image cap
09-oct-2026

Hamondrona ny heriny

Card image cap
09-oct-2026

Misy zavatra tsara alamina ihany angamba…

Card image cap
09-oct-2026

Miantso ireo fikambanam-behivavy

Card image cap
09-oct-2026

Mpisehatra matihanina maherin’ny

Card image cap
09-oct-2026

Mpiadina miisa 2.582

Card image cap