airtel

Actualités

01-juin-2026

FIRAISANKINAN'NY

TERAK'I BARA Manohana sy miara-miasa

Sample post image

amin'ny Fitondram-panjakana

01-juin-2026

Manohana sy miara-miasa akaiky amin'ny Fitondram-panjakana mijoro ankehitriny ny FITIBA na ny Firaisankinan'ny Terak'i Bara tarihin'ny filohany Atoa Nakamy Charlie sy Filoham-boninahiny Andrianirina Pierrot. Ny hahafahana mampandroso ireo distrika miisa 12 anatin'ny faritra miisa 5 misy ireo terak'i Bara no tanjona, hipaka manerana ny Nosy mihitsy. Mbola maro ireo olana sedrain'ireo distrika 12 isa ireo raha araka ny fanadihadiana natao toy ny resaka tsy fandriampahalemana, ny fampananan'asa ny tanora... Feno 55 taona ankehitriny ny nijoroan'ny FITIBA. Lanonana natrehin'ireo tompon'andraiki-panjakana maro samihafa no nanokafana ny fankalazana afak'omaly Sabotsy 30 May teny amin'ny Mada Espace By Pass. Mifankatiava riano izay no teny filamatry ny fikambanana izay manandratra avo ny firaisam-pirenena sy ny kolontsaina Bara. Fantatra moa fa handray anjara amin'ny fikaonandoham-pirenena hotanterahina eny amin'ny CCI Ivato ny FITIBA amin'ny Alarobia 03 Jona ho avy izao. Raha araka ny fanazavan'Atoa Andrianirina Pierrot dia efa nisy ny fakan-kevitra nataon'izy ireo teny anivon'ny Fokontany ho an'ireo distrika 12 ao aminy mba hahafahana mijery sy mamaly ireo tena hetahetam-bahoaka marina. Ho entin'ny FITIBA haravona mandritra ny fikaonandoham-pirenena ho fanampiana ny Fitondram-panjakana amin'ny asa fampandrosoana tanterahiny.
Pati
Légende : Ny filohan'ny FITIBA Atoa Nakamy Charlie !
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap