Natomboka ofisialy omaly talata 27 janoary 2026 ny fisoratana anarana biometrika nasionaly eto Madagasikara, hetsika stratejika mikendry ny hanomezana Laharana Famantarana Tokana (NUI) ho an’ny olom-pirenena mihoatra ny 12 tapitrisa, mba hiantohana ny maha-ara-dalàna sy ny fiarovana ny maha-izy azy. Ity tetikasa ity, tohanan’ny governemanta sy ny PRODIGY (Projet de Gouvernance Digitale et de Gestion de l’Identité) avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena, dia mametraka ny fototra ho an’ny fitantanan-draharaham-panjakana maoderina sy ny firaketana nomerika matanjaka. Ny PRODIGY dia mikendry ny hanome fahafahana ara-dalàna sy nomerika ho an’ny olom-pirenena rehetra, indrindra fa ny ampahatelon’ny mponina mbola tsy manana taratasy manamarina ny maha-izy azy, ary manohana ny tanjona iraisam-pirenena ODD 16.9 momba ny maha-ara-dalàna ho an’ny rehetra hatramin’ny 2030. Ny Filoham-panjakana Randrianirina Michael sy ireo mpanolotsaina avo sy ny governemanta moa no nisantarana an'ity fandraketana nomerika ity. Zava-dehibe ity rafitra ity ho an’ny fanavaozana ny Fanjakana, indrindra eo amin’ny fitantanana ny vola sy ny harena, ny mangarahara amin’ny tsenambaro-panjakana ho an’ny daholobe ary ny fiarovana, ho fanohanana ny mpitandro filaminana,... raha ny nambaran’ny Filoham-panjakana. Nampitodika ny saina ihany koa izy amin’ny anjara toerana lehibe ananan’ny fisoratana anarana amin’ny fikarakarana ny fifidianana ho avy, izay mikendry ny hanesorana ny fisoratana anarana miverimberina, ny ankizy tsy ampy taona ary ny olona efa nodimandry mbola voasoratra ao amin’ny lisitra. Nambara fa hanome fahafahana feno ho an’ny diaspora handray anjara amin’ny fifidianana ho avy. Ny Ministeran’ny Atitany sy ny Fitsijaram-pahefana no hitantana ny fanatanterahana ara-teknika, raha ny Ministeran’ny Fampandrosoana nomerika, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra (MNDPT) kosa no manara-maso ny rafitra ara-teknolojia amin’ny alalan’ny Unité de Gouvernance Digitale, izay miantoka ny fifandraisana sy ny fifampitohizan’ny sampan-draharaha toy ny fanjakana sivily, ny Fitsarana ary ny tolotra ho an’ny daholobe. Hatomboka amin’ny dingana andrana ao amin’ny distrikan’Atsimondrano ny tetikasa, alohan’ny hanitarana manerana ny firenena amin’ny volana aprily ka hatramin’ny jona 2026, miaraka amin’ny tanjona hanoratana olom-pirenena 12 tapitrisa, indrindra ireo 18 taona no ho miakatra. Ny fizotry ny fisoratana anarana kosa dia amin’ny alalan'ny fanangonana angon-drakitra biometrika: rantsan-tanana, endrika sy iris mba hiantohana ny maha-tokana ny maha-izy azy tsirairay. Amin’ny ankapobeny, ekipa mihoatra ny 2 500 no hahetsika manerana ny firenena, ary ny tsirairay dia afaka manoratra anarana olona 40 ka hatramin’ny 50 isan’andro, ka hanamafy ny angon-drakitra nomerika nasionaly azo antoka sy hanampy amin’ny fitondrana mirindra sy mampandray anjara ny rehetra.
Toky R
Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona