airtel

Actualités

26-août-2022

Actualités

Fironana any amin’ny zava-mahadomelina Tandindonin-doza ny firenena

Sample post image

Nalaza teo aloha teo ny fakana an-keriny tovovavy. Niara-dalana tamin’izay koa ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina amin’ny vidiny mora.

26-août-2022

Ry zareo mpanabe tanora eny amin’ireo faritra iva, toy ny Hafari Malagasy, sy ireo mpandinika fiarahamonina, no efa nampaneno lakoloky ela mikasika azy io. Saika isan’andro ny naheno hoe misy izany “Roro” izany no tena fitrokan-drizalahy. Omaly indray dia nahenoana fitarainana teny Ambohimanarina teny izay avy amina raiamandreny nahita zatovolahy tanaty elakelantrano nanao zavatra hafahafa sy niezaka niafina ny tenany kanjo moa hitany ihany raha ny fitantarany. Nivarahontsana aho, hoy ity raiamandreny ity ary nisafoaka nahita azy ireo nanao ilay izy no sady niteny tany an-tsaina hoe efa tonga eto izany itony zavatra itony. Nananatra azy ireo aho moa, hoy izy, no sady nilaza ho mahalala ny raiamandrenin’izy ireo, fa indrindra, tsy te ahita azy ireo hanimba hoavy amin’ny zava-mahadomelina. Mba jereo ihany ny ataon’ny ankizy fa efa tena mivoana, hoy hatrany ny antsoavony. Efa ela ny sehatra maro no nanao antsoavo fa tandindonin-doza ny firenena sy ny hoavin’ireo taranaka amin’ny fironanana any amin’ity fandraisana zava-mahadomelina ity.

J. Mirija

(Sary fanehoana)


 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap