airtel

Actualités

27-oct-2025

Fisavana tranona olona ambony teo aloha

Nalaina ny basy tao an-tranon’i Dina Andriamaholy mivady

Sample post image

Nosavain'ny tafika ny trano fonenan'ny

27-oct-2025

Sekretera Jeneraly lefitra teo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika teo aloha Dina Andriamaholy sy Rojo Ranaivoson mpikambana vadiny, izay mpikamban’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC. Naharitra adin’ny roa teo ny fisavana ny trano fonenan'ireto mpivady ireto ireto teny Alasora, raha ny vaovao azo omaly takariva. Arakan y tatitra, vola mitentina 2 tapitrisa ariary no hita tao an-trano niampy basy kalachnikov iray, izay nentina avy hatrany satria tsy hita ny taratasin'ny basy nandritra ny fisavàna. An'ny mpiambina an-dRamatoa Rojoniaina Ranaivoson. Fiara miisa efatra hita tao; ka ny iray amin'ireo dia fiaran'ny fiadidiana ny repoblika. Noraiketin'ny vaditany izay nanatri-maso ny zava-niseho an-tsoratra avokoa ireo tranga rehetra. Tsy tao an-trano nandritra ny fisavana ity tomponandraikitra ambony tao amin'ny fiadidiana ny repoblika teo aloha ity. Nomarihin-dRtoa Rojoniaina Andriamaholy, fa mila taratasy avy amin'ny tonian'ny fampanoavana sy ny tonia mpampanoa lalàna ambony ny fisavan-trano. Fa amin'ny maha mpikambana azy eo anivon'ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana ihany koa dia tsy maintsy misy ny fahazoan-dalana avy amin'ny filohan'ny HCC, saingy tsy nisy ny taratasy, hoy ny vaovao niparitaka. Namoaka anefa ny pejim-baovaon’ny HCC hoe : « Ny eto anivon'ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana dia manamarina fa nisy ny fisavana ny trano fonenan'ny Mpikambana iray nataon'olona avy amin'ny tafi-bahoaka niaraka tamin'ny vadin-tany. Tsy nisy taratasy fahazoan-dalana hanatanteraka izany avy amin'ny tompon'andraikitra ara-pitsarana mahefa. Lasan'izy ireo tamin'izany ny basy AK 47 iray izay ampiasain'ireo miaramila mpiambina ilay Mpanolo-tsaina Avo ». Fisavana tao anatin’ny hamehana sy nisy zavatra nampanahy indrindra fa nisy resaka fitaovam-piadiana ? Ilay mpikamban’ny HCC no tena fototry ny fisavana sa ny SGP lefitra teo aloha izay tanan-kavanan’i Andry Rajoelina ? Maromaro hatreto ireo olona ambony tao anatin’ny fitondrana teo aloha tratry ny fisavana, toa an’i Augustin Andriamananoro, Lanto Rakotomanga, ny Talen’ny fitantanana ara-bola teo anivon’ny Minisiteran’ny toekerana sy ny fitantananam-bola,… Ahiana hikononkonon-javatra toy ny fanakorontanana ny Fanjakana sy ny filaminana anatin’ny Firenena ireo lohandohan’ny mpisorona volomboasary ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

06-févr-2026

politika sy mpitondra ny mitandrina vava tsy ambina!»

Card image cap
06-févr-2026

amin'izao Fitondrana izao

Card image cap
06-févr-2026

ny famerenana ny tan-dalàna ny Maorisianina

Card image cap
06-févr-2026

noraisina ny masoivoho vaovao

Card image cap
06-févr-2026

Nampiana 1,82 tapitrisa hekitara ny faritra arovana vaovao

Card image cap