Namoaka fanambaràna omaly ny eo anivon’ny Fitiavana Taninjanako Madagasikara na FTM tsy azo ekena ny fitsanganàn’ny governemanta mijoro amin’izao fotoana izao. Tsy mifanaraka amin’ny hetaheran’ny vahoaka malagasy, hoy ny fanazavàn’izy ireo, io governemanta mitsangana io. Tsy mbola ao anatin’ireo mihitsy ny fitiavan-tanindrazana matoa mbola miziriziry manao amboletra toy izao ny fitondràna. Aoka ho sokafana aloha ny kianjan’ny demokrasia hanehoan-kevitra fa tsy ireny olona notsongaina ireny na ireny namanamana ireny no atao hoe vahoaka! Ny atao hoe «concertation national» na fikaonandoham-pirenena dia misokatra sy miantso ireo rehetra vondrona na antoko na fikambanana rehetra manerana ny nosy, hoy hatrany ny FTM.
Nangonin’i J. Mirija