airtel

Actualités

20-mars-2025

FITRANDRAHANA VOLAMENA AO ANKARANANA…

Tanimbary 13 ha no tototry ny riam-potaka, potika ny toho-drano

Sample post image

Mahazo vahana ny fitrandrahana volamena any amin’ny Fokontany Ankaranana sy Amboangivy,

20-mars-2025

kaominina ambanivohitra Ambohimasina, distrikan’Arivonimamo. Efa amam-bolana izao no nisian’izany tany an-toerana raha araka ny fitarainan’ny mponina. Tanimbary manodidina ny 13 ha eo ho eo vokatr’izany no tototry ny riam-potaka avy amin’izany fitrandrahana izany. Efa mitovy haavo amin’ny toho-drano manondraka io tanimbary io ihany koa ny fotaka havoakan’ireo mpitrandraka ety ivelany…Manahy mafy ny voka-bary vokariny ireo tantsaha ireo manoloana izany. Rehefa mba manontany ireo mpitrandraka anefa izy ireo dia fantatra fa valy hanavona hatrany no azony toy ny hoe : tsy mahavidy ny vidin’ny volamena alainay ny vidin’ny varinareo miakatra…Nambaran’ireo tantsaha mpamokatra any an-toerana ireo moa fa tsy fantatra intsony na nahazo alalana avy amin’ny fanjakana hitrandraka ireto andian’olona ireto na tsia izay voalaza ho tena marobe tokoa no sady sahisahy. Miantso ny tompon’andraikitra izy ireo mba hijery akaiky ny toe-javatra hiainany any an-toerana.
Pati
Legende : Mirongatra ny fitrandrahana volamena tsy ara-dalana eto amintsika !
 

Dans la même rubrique

10-févr-2026

fanakorontanana sy tranga misesy fa efa vita kajy !

Card image cap
10-févr-2026

Ny servisy momba ny fitaovam-piadiana no tena lasibatra

Card image cap
10-févr-2026

Novonoin’ny olona tamin’ny 51 taona lasa»

Card image cap
10-févr-2026

Hamakivaky an’Atsinanana, Alaotra, Analamanga,…,

Card image cap
10-févr-2026

ny fanaraha-maso ny Fanjakana

Card image cap
10-févr-2026

Mariky ny fitiavana olona iray ny fanolorana

Card image cap