airtel

Actualités

22-juin-2026

Fitrandrahana

volamena tsy ara-dalàna

Sample post image

Engins » roa an’ny vahiny sarona tao Ambinanindrano

22-juin-2026

Nanaovan’ny ekipan’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny Tany avy amin’ny Fitaleavam-paritra Atsinanana bemidina tao Ambodimanga I, Kaominina Ambanivohitra Ambinanindrano, Distrika Mahanoro, Faritra Atsinanana, ny fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna ny sabotsy 20 jona 2026 teo. Niaraka niditra an-tsehatra tamin’io ny polisin’ny harena an-kibon’ny tany “Unité régionale de la Police des Mines” avy any Toamasina, ka tratra sy nogiazana avy hatrany ireo milina na « engins » roa lehibe nampiasain’ireo teratany vahiny tamin’ny fitrandrahana volamena tsy nahazoana fahazoan-dàlana. Nanatrika ny fanatanterahana ny asa ny tompon’andraikitra ifotony sy ny solontenam-panjakana, ka nanamafy ny Ministera fa tsy azo ekena ny asa fitrandrahana tsy manara-dalàna ary ny fitaovana rehetra tratra amin’izany dia ampidirina avy hatrany ao ambala-pamonjana, ary mampahatsiahy ihany koa fa mitohy ny ady amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna manerana ny faritra. Betsaka ny fitrandrahana tsy ara-dalàna eto, indrindra fa ireo ataon’ny sinoa. Efa hatry ny ela ny raharaha tao amin’ny Distrikan’i Mananjary, Faritra Vatovavy, ka tamin’ny Aogositra 2025, araka ny tatitra nataon’ny Tafo Mihaavo ohara, dia nilaza fa simba ny renirano Intsaka sy Mananjary ary ny Canal des Pangalanes noho ny fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna. Tao Ambalanirana, Distrikan’i Soanierana Ivongo, Faritra Atsinanana, tamin’ny Martsa 2026, nisy fanesorana mpitrandraka madinika tsy ara-dalàna maherin’ny 1 500 tao anatin’ny 48 ora sy fanamafisana ny fiambenana ny toerana. Tao Bekily, Faritra Androy, tamin’ny Aogositra 2025, nisy fanairana nataon’ny antoko politika Otrikafo momba ny fitrandrahana tsy ara-dalàna izay loza mitatao ho an’ny harem-pirenena sy ny fiainan’ny mponina,... Tamin’ny andron’ny fitondrana Rajoelina, ny governora tao Betsiboka mihitsy aza moa no nampindrana ny «engins » an’ny faritra nitrandrahan’ny sinoa volamena tamin’ny fomba tsy ara-dalàna,… Matoa mahasahy mitrandraka sy mampiasa fitaovana goavana ireo vahiny manao fitrandrahana tsy ara-dalàna dia midika fa misy manam-pahefana ambony ao an-damosiny mety miaro, mifampisasaka aminy,… ka moa tena ho tonga hatrany ve ny fanenjehana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique