airtel

Actualités

07-mars-2024

Fitsinjaram-pahefana

«Samihafa ny kaominina mahavita tena sy mahaleotena»

Sample post image

3 miliara Ariary izao no volam-bahoaka any amin’ny JIRAMA ho an’ny

07-mars-2024

kaominin’i Tanjombato, hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana, Tovo Rakotojohary, satria misy ireny hetran’ny kaominina ireny aloha any. Tokony hisy tamberin’andraikitra alefan’ny JIRAMA aty amin’ny kaominina, hoy izy, amin’ny alalan’ny praograma natao. Esorina amin’iny izany ny tetikasa momba ny famatsian-drano na fanazavana lalam-bahoaka. Mbola tsy lany izany io vola io raha asiana jiro isaky ny 10 metatra eto an-tanàna. Ny JIRAMA moa no manatanteraka an’izay fa tsy ny kaominina nefa rehefa tapaka ny herinaratra na rano eto dia ny ben’ny tanàna foana no antsoin’ny olona. Tsy misoroka koa izahay fa tonga dia manaitra ny tomponandraikitra hoe misy olana toy izao. Mila fifandaminana hoe mba sokafana ny paompim-panjakana rehefa amin’ny 10 alina ahafahana maka rano dia mba iantohan’ny kaominina ny jiro manazava sao misy manendaka ireo mpantsaka. Ny mpanasa lamba mba miditra maraina sy ny toy izany. Efa miheritreritra hanao siniben-drano izahay izao hanangonana rano ahafahan’ilay filàn’ny mponina miodina foana. Ohatran’izany koa ny fanentanana vahoaka amin’ny resaka fahadiovana. Tena mandany vola be ny fikirakirana fako. Antananarivo izao raha tsy nisy ireny fiaraha-miasa avy amin’ny governemanta japoney ireny dia izao izao vao ho hitantsika fa hiova be ny fahadiovan’ny tanàna. Izahay eto koa sahirana amin’ny resaka fitaovana fakàna fako fa miezaka izahay amin’ny fahafahana kely anananay satria tsy afaka manao tetikasa fampandrosoana mihitsy isika raha tsy mipetraka tsara aloha ny resaka fahadiovana eo amin’ny tanàna iray sao mihaingo ambony tsikoko fotsiny. Misy resaka toetsaina ilay izy. Reraka foana ny mpanadio rehefa tsy miova toetsaina ny mpandoto. Misy zavatra mila miara-miainga amin’ny fomba fanentanana ao. Isaorana ny fitondram-panjakana nametraka ireo komity Loharano ahafahana miara-miasa ifotony. Taloha nisy fisavana toeram-pivoahana. Tsy ny hetrana 500 Ariary mihitsy no andeha ireharehana hoe nandoa hetra izahay dia mila tamberin’andraikitra. Resaka finiavana foana io. Any amin’ny resaka fitantanan-draharaham-panjakana, milamina be ny fitsinjaram-pahefana, mipetraka tsara miaraka amin’ny fitsinjarana andraikitra. Ny resaka fahafaha-mampiasa vola na «exécution budgétaire» nefa any amin’ny minisiteran’ny vola sy toekarena. Maninona ny bokin’omby any Tsiroanomandidy no tsy maintsy eto Antananarivo no alaina? Tapa-bolana izy manao an’iny foana. Tokony hisy «imprimerie national» na sampan-draharaha miandraikitra ireny isaky ny renivohi-paritany. Tokony hahavita tena na «autonome» ny kaominina. Samihafa ny hoe mahavita tena sy mahaleotena, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Misy toe-javatra mampiahiahy ao anatin’ny Fanjakana, indrindra fa eo amin’ny lafiny fikirakirana sy fanamarinam-bola ?

Card image cap
07-févr-2025

Ireo fikambanana, ONG ary mpiara-miombon'antoka rehetra nisitraka famatsiam-bola

Card image cap
07-févr-2025

Mahatratra 60 isa isan’andro eo ho eo ny fangatahana fisaraham-panambadiana tonga

Card image cap
07-févr-2025

Mbola betsaka amin’ireo ankizy mpianatra no tsy mahalala ny asan’ny mpamonjy voina sy ny tena

Card image cap
06-févr-2025

Nihatra nanomboka ny alin’ny 04 febroary 2025 ny fanitsiana ny vidin-tsolika eto Madagasikara izay lazaina fa

Card image cap
06-févr-2025

Tsy rariny raha olona milaza ny mba maharary azy no ampidirina am-ponja,

Card image cap