airtel

Actualités

29-août-2022

Actualités

Fivarotam-boky Ambohijatovo Nodorana mba hanilihana ireo mpivarotra ?

Sample post image

Nirehitra ny alin’ny sabotsy 27 aogositra 2022 teo tamin’ny 8 ora latsaka kely ny Fivarotam-boky sy tsena samihafa etsy Ambohijatovo. May hotohoton’ny ao ny ampahatelony eo ho eo amin’ity toerana ity,

29-août-2022

ka ireo fivarotam-boky no isan’ny lasibatra betsaka. 360 no isan'ny fivarotana hita ao amin'ny tsenan'Ambohijatovo ka 78 no fantatra fa nahitana fahamaizana avokoa. Isan'ny voa mafy tamin'izany ireo mpivaro- boky sy ireo mpanao "sérigraphie" ary ireo trano mpanao "impression" sy "photocopie " ( multi-service ) manakaiky ny Minisiteran'ny tanora sy ny fanatanjahantena. Sampana mpamonjy voina telo no nifarimbona tamin'ny famonoana ny afo ka tamin'ny 10 ora sy fahefany alina no maty tanteraka izany. Tsy niala teny an-toerana ihany koa ny Polisim-pirenena niambina ireo entan'ny olona tsy may miparitaka eny an'arabe ary koa mijery ireo izay mikasa hanararaotra hanao asa ratsy rehefa misy ny tranga toy izao. Efa misokatra ny fanadihadiana ataon'ny Sampana heloka bevava hahafantarana ny tena antony nahatonga ny afo.
TETIKA HANILIHANA IREO MPIVAROTRA ?
Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny firehetana, tao ny nilaza fa noho ny akoson’aratra na “court-circuit”. Ny fanadihadiana kosa no hamaritra azy satria maro ihany koa no manombana fa misy ambadika politika. Ny pejim-baovao mpanohana ny fitondrana miezaka mandrirotra sy manondro ny mpanohitra ho ao ambadik’izany, ka ireo mpitarika ny RMDM any Frantsa no ambara fa tompon’antoka noho ny fanambarana ara-politika mahery vaika efa nataony. Misy ihany koa etsy andaniny ny milaza fa misy olom-boafidy sy tompon’andraikitra ambony amin’ny fitantanana ny tanàna ahiana ho miray tsikombakomba amin’ny karana mitetika ny hahazo ny tany. Ny fanadihadiana no hamaritra ny antony raha hivoaka tokoa ny tena marina? Efa nisy kosa ny fikasana hanilika mivantana na ankolaka ireo mpivarotra eo Ambohijatovo raha tarafina amin’ny fanoherana efa nataon’izy ireo, izay naneho fa tsy nanaiky ny hanomezana ny tsena ho an’ny mpanam-bola sy ny manan-katao ireo mpivarotra efa nivelona teo hatrizay. Nisy mihitsy ny sora-baventy nirantiranty hoe: tsy ekenany ny fanomezana ny fitantanana ny tsena ho an’ny tsy miankina. Tsy vaovao ny fisiana tetika politika avo lenta, ny trangana loza mahatsiravina miseho amin’ny endrika fahamaizana rehefa misy vondron’olona tiana hahilika amina toerana iray, indrindra moa fa somary manjavozavo ny ara-taratasin’izy ireo. Asa aloha raha hivoaka ny marina momba itony toe-javatra itony, izay ao anatin’ny fotoana mampamaivay ny toe-draharaha ara-politika ka mety ho fanodinana saim-bahoaka ihany koa. Andrasana ny tohiny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap