Sakana lehibe tsy hahafahan'ny kaominina mandroso sy manatanteraka ireo karazana foto-drafitrasa ao aminy ny resaka passation de marches publics na ny tsenam-barom-panjakana. Raha araka ny nambaran-dRado Ramparaoelina, Filohan'ny fikambanan'ny Ben'ny tanana manerana ny Nosy tamin'ny mpanao gazety omaly mantsy dia tena midangana avo telo heny na efatra heny mihitsy ny vidin-javatra rehefa mandalo io passation de marchés publics io. Raha 30.000 Ar no vidin'ny simenitra iray lasaka eny amin'ny mpivarotra ohatra dia tafakatra 60.000 Ar izany rehefa mandalo izany. Ny kalitaon'ny entana koa anefa eo an-daniny tena tsy izy mihitsy raha ny nambarany. Izahay kaominina anefa hoy izy mety mahita fitaovana mora sady tsara kalitao. Ho andry zareo eo anivon'ny kaominina Ampitatafika ohatra dia tena ilana vahaolana maika ny fametrahana jiro an-dalambe hahafahana miady amin'ny tsy fandriampahalemana. Sakana lehibe ho azy ireo nefa ny fandalovana io tsenam-barom-panjakana io fa tsy afaka mividy tsotra. Eny Behoririka hoy Rado Ramparaoelina mahita jiro mora sy tsara izahay. Toraka izany koa ny tariby mitondra herinaratra izay tsy vita Sinoa fa vita Frantsay nefa tena mora ihany koa. Soso-kevitra haroson'ity Filohan'ny fikambanan'ny Ben'ny tanana ity araka izany ny tokony hahafahan'ny kaominina mividy kojakoja amin'ny fomba tsotra, indrindra fa ireo tena ilaina maika. Raha tsy maintsy lalovana io tsenam-barom-panjakana io hoy hatrany dia tokony ny vola azo avy amin'ny fanjakana na ny FDL (Fond de développement local) no hanaovana izany ka ity farany no hanaovana appel d'offre.
Pati
Légende : Rado Ramparaoelina, Filohan'ny fikambanan'ny Ben'ny tanana manerana ny Nosy !