airtel

Actualités

30-juil-2026

Fivorian’ny Parlemanta Afrikanina

Hanatsarana ny fiainam-bahoaka

Sample post image

sy ny toekarena aty Afrika…

30-juil-2026

Nanao antso mafy ho amin’ny fitarihana ara-parlemantera matanjaka kokoa sy fiaraha-miasa iraisam-pirenena lalindalina, mba hanamafisana ny fiarovana sy ny fitantanana ny rano manerana an’i Afrika ny SADC PF (Forum parlementaire de la SADC). Nandritra ny fanokafana ny fivoriana voalohan’ny Parlemanta Panafrikanina (PAP) tany Midrand, Afrika Atsimo, nanamafy ny fanoloran-tenan’ny Forum hanohana ny Agenda 2063 amin’ny alalan’ny fitantanana maharitra ny rano sy ny fahaiza-manao manoloana ny fiovaovan’ny toetrandro ny Filohan’ny Antenimierampirenena Malagasy Siteny Randrianasoloniaiko, filohan’ny SADC PF sy filohan’ny Antenimieram-pirenena Malagasy. Ny Filohan’ny Antenimierampirenena sy ny Masoivohontsika ao Afrika Atsimo Toavina Ralambomahay moa no nisolo tena ny Firenena tao anatin’io. Anisan’ny tanjona sy zava-dehibe ao anatin’io ihany koa ny fifanakalozana ara-toekarena: tsy misy sakana amin’ny resaka haba sy hetra, tsy misy, fanatsorana ny fifamezivezen’ny olona,… Ny fivoriana voalohany amin’ity « législature » vaovao ity dia hifantoka amin’ny tatitra avy amin’ny komity, ny fanapahan-kevitra politika ary ny fanamafisana ny andraikitry ny Parlemanta amin’ny fanatanterahana ny « Agenda 2063 ». Dingana manamarika ny fiandohan’ny toko vaovao ho an’ny Parlementa panafrikanina, izay mikendry ny hanangana rafitra mahomby sy misy fiantraikany mivantana amin’ny fiainan’ny vahoaka afrikanina. Nanamarika ny Filoha Afrikanina Tatsimo Cyril Ramaphosa, fa ny Parlementa panafrikanina dia tokony ho “pilier de l’architecture démocratique africaine”, ka ny fahombiazany dia tsy ho refesina amin’ny tatitra na fivoriana, fa amin’ny fiantraikany mivantana eo amin’ny fiainan’ny vahoaka afrikanina. Nampahatsiahy izy fa ny rano sy ny fanadiovana dia zo fototra maha-olona, mifandray amin’ny fahasalamam-bahoaka, ny fiarovana ara-tsakafo, ny fanabeazana ary ny fampandrosoana maharitra. Ny filoha vaovao an’ny Parlement panafricain, S.E. Fateh Boutbig kosa nanamafy fa tsy ampy intsony ny fanambarana, fa ilaina ny asa mivaingana sy ny fananganana rafitra parlemantera mahomby, mifanentana amin’ny filàn’ny vahoaka. Nambarany fa ny fahombiazana dia ho refesina amin’ny fahafahan’ny Parlement manova ny fiainan’ny olom-pirenena afrikanina. Nisy ihany koa ny hafatra fanohanana avy amin’ny solontenan’ny Firenena Mikambana, ny Komisiona Afrikana momba ny zon’olombelona, ary ny ambasadaoro Palestiniana, izay samy nanamafy ny andraikitry ny fitarihana ara-parlemantera amin’ny fanamafisana ny zon’olombelona, ny fitondrana demokratika, ny fandriampahalemana ary ny fampandrosoana maharitra.
Toky R

 

Dans la même rubrique

31-juil-2026

Naneho ny ahiahiny ny governemanta Amerikanina

Card image cap
31-juil-2026

voasambotra sy voatsara…

Card image cap
31-juil-2026

Efa nilatsaka ny didy, tsy maintsy haverina ny fifidianana

Card image cap
31-juil-2026

hamaritra ny fivoahany na tsia…

Card image cap
31-juil-2026

ny reniny sy zokiny

Card image cap
31-juil-2026

Tavela ao Fianarantsoa nanomboka tamin'ny Alahady

Card image cap