airtel

Actualités

16-avril-2024

FIZAKAMANANA ARA-INDOSTRIA

Feno 30 taona ny OMAPI

Sample post image

Tsy nitsahatra nanentana eo amin’ireo mpandraharaha hisitraka ny

16-avril-2024

fizakamanana ara-indostria sy ho fampiroboroboana ny fiahiana azy ireo ny Ofisy Malagasy misahana ny Fizakamanana ara-indostria na ny OMAPI. Andraikitry ny OMAPI mantsy ny fampahafantarana an’ireo orinasa ny tokony hiarovana ny vokatra ho vokariny sy ny tombontsoa aterak’izany amin’ny fitadiavana lalam-barotra sy ny amin’ny lafin-javatra hafa koa. Ankehitriny dia mitondra ny anjara birikiny amin’ny fanohanana ara-teknika ireo orinasa avy amin’ny fandaharan’asa ODOF ny OMAPI. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Zoma 12 Avrilylasa teo ny fankalazana ny faha-30 taonan’ny Ofisy Malagasy misahana ny Fizakamanana ara-indostria na ny OMAPI. Nanombohana ny taom-pankalazana ny fotoam-pivavahana tetsy amin'ny EKAR Saint François Xavier Antanimena. Nanotrona izany ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC), Ranoelimanana Rasamoely Vahinisoa Seheno sy ny Tale misahana ny Fiaraha-miasa sy ny Tetikasa (DPP) Hanitsoa Ravo Ramahery. Ny MIC izay marihana hatrany fa ministera mpiahy ny OMAPI. Hovoizina mandritra ny taom-pankalazana ny hoe « Miaraka miasa ho an’ny famoronana sy hitondrana haitao vaovao eo amin’ny sehatry ny fampiroboroboana ny indostria ». Hitohy mandritra ity taona ity moa ny fankalazana ka ny 24 hatramin'ny 26 avrily ho avy izao dia hidina ifotony any amin'ny faritra Vakinakaratra ny OMAPI. Mifanandrify indrindra amin'ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny fizakamanana ara-tsaina izany.
Pati
Legende : Ireo ekipan’ny OMAPI !

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap