airtel

Actualités

12-déc-2022

Actualités

FLM Fampiraisana Anosibe Nofanina momba ny ady amin’ny « Cybercriminalité » ireo mpino

Sample post image

Tonga namaly ny antson’ny fiangonana FLM Fampiraisana Anosibe ny zandarimariam-pirenena ka nanao fampahalalana sy fanentanana mikasika ny fandikan-dalàna an’habaka (Cybercriminalité).

12-déc-2022

Tranga efa tena mirongatra eto Madagasikara tokoa mantsy ny endrika fandikan-dalàna vaovao sy ny fiankinan-dohan’ny tanora amin’ny tambazotran-tserasera ka izay no antony nahatonga ny fiangonana FLM Anosibe nangataka fiaraha-miasa , mba hisorohana ny mety ho fakam-panahy sy vokadratsin'izany fandikan-dalàna izany eo amin'ny mpino.Etsy ankilan’izay, izao hetsika izao dia tafiditra indrindra ao anatin’ny asa fampiomanana enti-misoroka (prévention) sy fanentanana (sensibilisation) ataon’ny Zandarimariam-pirenena. Ankoatry ny fampahafantarana ny atao hoe «cybercriminalité» dia novelabelarina ihany koa ny fomba fiasan’ny Zandarimaria manoloana ny fandikan-dalàna an’habaka, ary nofaranana tamin’ireo torolalana sy fahazarana tsara tokony arahana sy ananana.
Marihina fa ireo Sampana misahana ny heloka bevava (GAPJ) any amin'ireo Vondron-tobim-pileovan'ny Zandarimariam-pirenena (Groupement) rehetra manerana ny nosy dia efa samy nahazo fanofanana mahakasika ny ady amin'ny fandikan-dalàna an'habaka ka afaka manampy antsika raha misy ilàna izany. Mpino manodidina ny 100 no afaka nisitraka fiofanana sy fanazavana misimisy kokoa teny amin’ny FLM Fampiraisana Anosibe ny faran’ny herinandro teo niaraka tamin’iny zandarimariam-pirenena.

Nangonin’i RTT

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap