airtel

Actualités

21-avril-2026

FOMBA FANAON’NY TEO ALOHA

Io fa mitady hiverina ilay hoe : « Merci Président »

Sample post image

Tonga tany an-toerana omaly

21-avril-2026

hariva ny fiara fitaterana (bus) ho an’ireo mpianatra ao amin’ny Oniversiten’i SAVA ao Antsiranambidy Antalaha. Nakotroka tokoa ny fitsenana, efa fampanantenana avy amin’ny fitondram-panjakana moa izy io taorian’ny fangatahan’ny mpianatra ny amin’ny mba hisiana fitaterana iombonana hanalana fahasahiranana. MIVERINA INDRAY NY FAHINY ? Tsara ny faha-tonganava fitaovam-pitaterana, tsara ny fahavitana fotodrafitrasa fa ny tsikaritra kely fotsiny dia tsy tena mbola tafiditra tsara angamba ilay fanavaozana sy fanovana fa dia miala any ndray ny Merci Président. Niova kely , somary niampy kely fotsiny ilay fomba fanao teo aloha dia lasa hoe Merci Président kolonely Randrianirina Michael. Tsy misy maharatsy mihitsy ny misaotra ary tena ampianarina ny zaza vao miana-miteny izany fa ilay dokam-barotra , soratsoratra be miaraka ny tahaka ny hoe manao tsianjery , fahitana any amin’ny tany kominista no nanaitra.Tena mbola ao izany ve ilay fomba fanao hatrizay eto Madagasikara dia ny mahasohaso olona, mametraka ilay filoha na manampahefana ho tahaka ny andriamanitra kely.Avy eo tokoa mihevitra ny tenany ho tsy azo atao na inona na inona izy dia ilay vahoaka nanao aleloia sy hosana nanositra azy ho andriamanitra kely no hiantso homboy homboy fa hoe manao didy jadona sy tsy mihaino. Tsara ho fantatra fa tena misy akony amin’ny atidohan’ny olona sy ny fomba fisainany ny fihetsika, fiteny hanazarana azy. Rehefa voakitakita sy voaompa lava dia lasa tsy mahalala fomba, tsy mahafehy tena, olona lian’ady.Rehefa deraderaina sy hobiana lava , tahaka ny fanao aty afrika dia lasa mivehi-tena ho ambonin’ny rehetra, mpanjaka ka matetika miborioka any amin’ny jadona. Misy antony matoa isy ilay hoe : zaro amin’ny lalana tena izy ny ankizy.Tahaka izay ihany koa ny olon-dehibe, ny misy sy ny marina no aseho azy fa tsy mamorona.Tena zava-dehibe io ho an’ny mpi-tondra sy ny manampahefana, mila mahita sy mahatsapa ny tena misy marina izy ireo amin’izay tsy sahirana manapa-kevitra. Ary farany kanefa tsy bitika, volam-panjakana no nvidianana fitaovana sy nananganana fotodrafitrasa fa tsy volan’ilay filoha na volan’ilay minisitra. Mila fantatra mazava tsara izay, na izany io vola azo avy amin’ny hetra naloan’ny vahoaka, na io vola fanampianamety mbola notrosaina avy any ivelany izay tsy maintsy aloan’ny vahoaka ihany any aoriana any fa tsy hoe volan’ilay Président nomeny maimaimpoana.
RTT
 

Dans la même rubrique

21-avril-2026

Ben'ny tanàna ny Vahoaka

Card image cap
21-avril-2026

10 volana izay no dify taorian’ ny

Card image cap
21-avril-2026

hoy ny ben’ny tanàna

Card image cap
20-avril-2026

amin’ny Fanjakana sy ny PTF

Card image cap
20-avril-2026

ny fanenjehana ny Mopera Pédro

Card image cap
20-avril-2026

ho an'ny Filoham-panjakana...

Card image cap