airtel

Actualités

29-août-2022

Actualités

Fonjaben’Antanimora Misy zaza 60 migadra miaraka amin-dReniny

Sample post image

Mahatratra 60 isa eo ho eo ireo zaza tsy manan-tsiny miaraka amin-dReniny tazonina ao amin’ny fonjaben’Antanimora amin’izao.

29-août-2022

Misy amin’izy ireo no vao teraka mihitsy raha misy ihany koa ireo efa an-taonany. Amin’ny ankapobeny dia tokony hihinana sakafo mifanaraka amin’ny salan-taonany ireny ankizy madinika ireny fa tsy mitovy amin’ny olon-dehibe. Misy ohatra ireo tokony hihinana ronono fa tsy ampy nono ny reniny. Misy koa ireo tokony hihinana sakafo maro loko ilana fikarakarana manokana hahafahana miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Mba hahafahana mamaha ny olana mifandraika amin’izany dia nisy ny faran’ny herinandro teo ny fifanatonana teo amin’ny ofisim-pirenena misahana ny fanjarian-tsakafo sy ny Ministeran’ny fitsarana ary ireo fikambanana maro lafy isan-tsokajiny. Nodinihina nandritra izany ireo karazana paikady hahafahana miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eny anivon’ny toeram-pamonjana. Ankoatra ireo ankizy madinika mantsy dia mbola hitadiavam-bahaolana ihany koa ireo olon-dehibe mifonja sy ireo vehivavy bevohoka izay misy ihany koa ary tokony hikarakarana sakafo manokana fa tsy mitovy amin’ny voafonja rehetra. Tsiahivina moa fa efa nihena hatrany amin’ny 15% ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo teto amintsika tato anatin’ny 10 taona izao. Na izany aza mbola tratry ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka ny 40%-n’ireo ankizy latsaky ny 5 taona eto amintsika antony hanaovana ny fanentanana sy ny fampianarana etsy sy eroa.
Pati
Legende : Vao teraka dia efa miaina any am-ponja ny sasany amin’ireo kilonga madinika.
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap