airtel

Actualités

29-août-2022

Actualités

Fotoam-pahavaratra Afaka efa-bolana vao mety hisy ranon’orana

Sample post image

Efa miaina ao anaty hafanana tanteraka ny any amin’iny faritra avaratra andrefan’ny Nosy iny amin’izao fotoana izao na dia mbola mangatsiaka aza ny eto an-drenivohitra.

29-août-2022

Anisan’izany ny ao Mahajanga. Mitaraina sahady araka izany ireo tantsaha mpamokatra miandrandra any amin’iny faritra iny. Maika kina tanteraka mantsy ireo tanimbary any an-toerana nefa efa miharitra sahady ihany koa ny reniranon’i Betsiboka, izay hany renirano tokana afaka manondraka ireo tanimbary amina ha maro any an-toerana. Raha araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby anefa dia mety afaka efa-bolana any ho any vao mety hisy ranon’orana hilatsaka eto amintsika aorian’ny vanim-potoanan’ny ririnina. Mbola tsy fantatra ihany koa hatreto izay vanim-potoana hilatsahan’ilay ranon’orana manasa-taona, masaraka ny vanim-potoanan’ny ririnina sy ny lohataona. Raha izay tombatombana izay araka izany no tena marina dia any amin’ny volana desambra any ho any vao hirotsaka ny ranon’orana eto amintsika ary ahiana ho tena mafy sy betsaka mety hanimba zavatra indray.
Pati
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap