airtel

Actualités

06-févr-2024

GLOBO VISION–ADY AMIN’NY FAHANTRANA

Mila mifanome tanana ny rehetra raha te-handroso

Sample post image

Mitohy hatrany ny fanofanana tanora tanterahin’ny Globo Vision Developpement a Madagascar

06-févr-2024

hahafahana miady amin’ny fahantrana lalina misy eto amintsika. Ankoatra ny fampianarana azy ireo hanangana orinasa ho an’ny tenany ka tsy ho mpiasan’olona intsony fa ho afaka hamorona asa ho an’ny tenany dia misy ihany koa ny fampianarana azy ireo momba ny fampivoarana manokana ny tena na ny developpement personnel. Miainga any amin’ny fomba fisainana izany, ny fahaiza-miaina eny anivon’ny fiaraha-monina ka hatrany ny fahaleovantena mba tsy hiankinana amin-kavana na amin-dRay aman-dReny. Miantso ny Ministera isan-tokony mba hifanome tanana aminy araka izany ny filoha tale jeneraly lefitra eo anivon’ny Globo Rafanomezantsoa Jean Nirina.Nisaorany manokana ireo fikambanana sy masoivoho efa nanaiky niara-niasa taminy niampy ireo Ministera vitsivitsy. Ho an’ireo Ministra sasany miavonavona kosa no notsipihiny mazava fa mpiasam-bahoaka izy ireny noho izany tsy tokony hihevitra ny tenany ho Andriamanitra na Mpanjaka. Miala izay tsy hanao hoy hatrany Rafanomezantsoa Jean Nirina fa tsy maintsy hotsaraina ianareo ao anatin’ilay 100 andro fe-potoana napetraky ny Filoham-pirenena. Mila henoina sy hampiana ny vahoaka hoy hatrany izy fa tsy jerijerena fotsiny ary tsy ny fanaovan-tsoa amin’ny olona iray no hatao hoe : fanavotam-pirenena fa amin’ny vahoaka iray manontolo mihitsy. Notsindriany moa fa tsy hanaiky velively ministra mitady ho mpanjaka izy fa ministra mandray andraikitra sy mahalala ny tokony hataony. Ho an’ireo tompon’andraiki-panjakana ambony vao notinendry sy nahazo toerana kosa dia nampitainy ny hafatra fa dieny izao izy ireny dia tokony hahay hihavana aman’olona sy ny fiaraha-monina fa tsy sanatria hiandry amin’ny ora farany vao hanenina nefa tsy maintsy hiverina eny anivon’ny vahoaka ihany.
Pati
Legende : Rafanomezantsoa Jean Nirina filoha tale jeneraly lefitra eo anivon’ny Globo Vision Developpement !
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap