airtel

Actualités

07-sept-2026

"Goudron" ao Morafenobe

‎ Hampiasaina

Sample post image

hanamboaran-dalana eto Madagasikara

07-sept-2026

Ho trandrahana ny "goudron" ao Morafenobe, ary kasaina hampiasaina amin’ny fanamboaran-dalana eto Madagasikara. Ao Morafenobe no hanaovana ny andrana voalohany amin’izany. Anisany nivoitra io nandritra ny dian'ny Minisitry ny Asa Vaventy, Dr Rafefimanana Sambilason Richard, sy ny Jeneraly Démosthène Pikulas, lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika nanatanteraka fidinana ifotony tany amin’ny Distrikan’i Morafenobe sy Maintirano ny sabotsy 05 septambra 2026 teo. ‎Hamboarina hatao tara ihany koa ireo lalana ao an-tampon-tanan’i Maintirano, ka nodinihina niaraka amin'ny lehiben'ny Faritra Melaky Jonah Justin Pikulas ireo laharam-pahamehana sy ireo sakantsakana mety hisy amin’ny fanatanterahana ny asa. Anisany anton-sian'ireto iraky ny fitondrana foibe ireto koa ny hanomana ny fanombohana ofisialy ny fanamboarana ny lalana RN1Bis Tsiroanomadidy - Maintirano izay iarahana amin'ny Jenia Miaramila sy ny fanomanana ny fitokanana ireo asa vita toy ny tohodrano Marefolaly sy ny lalana makany Beteno notaterahin'ny AD2M. ‎
Jean D.
 

Dans la même rubrique

12-oct-2026

navadika ho lasantsy

Card image cap
12-oct-2026

Navaozina ny fiaraha-miasan’Ambatovy sy ny BNGRC

Card image cap
09-oct-2026

Misy fanakorontanana

Card image cap
09-oct-2026

Hamondrona ny heriny

Card image cap
09-oct-2026

Misy zavatra tsara alamina ihany angamba…

Card image cap
09-oct-2026

Miantso ireo fikambanam-behivavy

Card image cap