airtel

Actualités

26-août-2026

Haino aman-jery

tsy ara-dalana Hanamafy ny fanaraha-

Sample post image

maso sy fisavana ny Minisitera

26-août-2026

Miroso amin’ny fampanarahan-dalana ireo haino aman-jery eto amintsika ny Ministeran'ny Serasera sy ny kolontsaina. Nampahatsiahiviny nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety natao tao Anosy omaly Talata 25 Aogositra fa mitaky fahazoan-dalana ara-panjakana ny fanokafana haino aman-jery toy ny vata fahitalavitra, ny radio ary ny gazety. Natsangana eo anivon’ny Minisitera araka izany ny vaomiera manokana tarihin’ny Tale jeneralin’ny Serasera Rakotomalala Faly Mahefanirina hanara-maso izany. Ity Vaomiera manokana ity dia hisahana ny fanaraha-maso ny maha ara-dalàna ny fijoroan’ny haino aman-jery iray na tsia, ny fanamarinana ny taratasy fahazoan-dalana ara-panjakana hampiasain’ireo haino aman-jery; ny fitsirihana ny maha ara-dalàna ny faritra azon’ny haino aman-jery hampitana ny maridrefy.... Mpikambana mandrafitra io Vaomiera io ny Sekretera jeneraly sy ny Talen’ny raharaha araka ny lalàna eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny avy amin’ny Ofisy malagasy mitantana ny zon’ny mpamorona (OMDA ), ary ny avy amin’ny ARTEC (Autorité de Régulation des Technologies de Communication). Hanomboka hidina ifotony eny anivon’ireo haino aman-jery rehetra manerana ny Nosy noho izany ity voamiera ity hanao ny fisavana. Andraikitra nomena io voamiera manokana io koa ny handray fepetra mifanaraka amin’ny tsy fanaraha-dalàna hitany.
Pati
Légende : Ireo tompon'andraikitra nitafa tamin'ny mpanao gazety omaly !
 

Dans la même rubrique

26-août-2026

tsy nahavaha olana

Card image cap
26-août-2026

fahaverezam-panahintsika!»

Card image cap
26-août-2026

Madagasikara hizorana

Card image cap
26-août-2026

120 tapitrisa dolara fa tsy 77

Card image cap
26-août-2026

Nifanekena ny hanatsarana ny tolotra « mobile money »

Card image cap
26-août-2026

Nisy fanolorana sakafo sy trano tao Agnarafaly

Card image cap