airtel

Actualités

04-févr-2026

Halatra herinaratra

Miisa 18 no tratra omaly

Sample post image

Miisa 18 ireo halatra herinaratra na

04-févr-2026

halatra jiro moa no filazantsika azy saron’ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA teto Antananarivo renivohitra iny omaly iny, raha ny fampitàm-baovao voaray. Tamin’ny andro voalohany dia kaontera miisa 109 no notsirihana. 18 no nahitana tsy fanarahan-dalàna. 7 hatao «expertise» na iverenana zahàna manokana. 1 tratra nanao «piquage», izany hoe misintona herinaratra any an-kafa, ary 1 nahitàna soritra fanaovana izany. Nanomboka teto Antananarivo ny fitsirihana ireo halatra sy hosoka amin’ny fisitrahana herinaratra sy rano ataon’ny JIRAMA. Haharitra 3 volana ny hetsika ka iharan'ny sazy avy hatrany ireo tratra manao hosoka, raha ny fanazavàna sy fampitàm-baovao voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

12-oct-2026

navadika ho lasantsy

Card image cap
12-oct-2026

Navaozina ny fiaraha-miasan’Ambatovy sy ny BNGRC

Card image cap
09-oct-2026

Misy fanakorontanana

Card image cap
09-oct-2026

Hamondrona ny heriny

Card image cap
09-oct-2026

Misy zavatra tsara alamina ihany angamba…

Card image cap
09-oct-2026

Miantso ireo fikambanam-behivavy

Card image cap