airtel

Actualités

21-juil-2026

Hentitra i Kolonely Randrianirina Michaël

"Rehefa tsy hiasa eto ny ENELEC dia mialà"

Sample post image

Raha mbola ao anatin'ny enim-bolana ny

21-juil-2026

vaomiera mpanadihady eo anivon'ny Antenimierampirenena no handinika sy hijery ireo fifanarahana ifanaovan'ny orinasam-panjakana Jirama amin'ireo orinasa tsy miankina ividianany herinaratra dia tamin'ny teny mahitsy sady hentitra, omaly, no nampitandreman'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, Kolonely Randrianirina Michaël ka nanomezany herinandro ny orinasa ENELEC, hanatanterahan'ity farany izay nifanarahana tamin'ny Jirama amin'ny famatsiana herinaratra ao Antsiranana, Mahajanga ary Toamasina. Misy orinasa tsy miankina samihafa mamatsy herinaratra an'ny Jirama, ity orinasa ENELEC ity no mamatsy ao Antsiranana, Mahajanga ary Toamasina. Samy misy olana avokoa anefa amin'ireo tanàna ireo ankehitriny : miaina delestazy. "Ny Fanjakana anefa tsy mitsahatra mandefa gropy any amin'ireny toerana ireny mba hamenoana ilay herinatra banga miohatra amin'ny filàna, raha ny fanamarihana nataon'ny filohan'ny Fanavaozana. Ny mahagaga, hoy ity farany, rehefa manampy gropy ho an'ny Jirama ny fanjakana dia mampihena ny herinaratra vokariny ny ENELEC nefa tsy miova ny vola tsy maintsy efain'ny Jirama amin'io orinasa io. Ho an'Antsiranana fotsiny dia tsy maintsy efain'ny Jirama ny 65%-n'ny vola na inona na inona zava-misy, araka ny voarakitry ny fifanarahana. Ao Antsiranana ihany dia 18MW no tokony vokarin'ny ENELEC ho an'ny Jirama, 3MW ihany anefa izao no omeny raha toa ka 11MW no filàna ao an-toerana. Tsy maintsy aloan'ny Jirama anefa ny 65% amin'ny vidin'ny 18MW nifanarahana. "Tokony haverina jerena io fifanarahana io", hoy ny filohan'ny Fanavaozana. "Androany aho dia mampitandrina ny ENELEC : Madagasikara dia an'ny Malagasy. Rehefa tsy hiasa eto Madagasikara izy dia miala", hoy ny kolonely Randrianirina Michaël tamin'ny teny hentitra. Manome herinandro ity orinasa tsy miankina ity tenany fa "raha tsy tafaverina ny herinaratra (foana ny delestazy) ao Antsiranana, Toamasina ary Mahajanga dia mahita izy !".

TSY ARA-DRARINY
Tamin'ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety tao Tsimbazaza, omaly, no nilazan'ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Siteny Randrianasoloniaiko, sy ny Filohan’ny Vaomiera mpanadihady mikasika ny orinasa Jirama, Pety Rakotoniaina notronin’ireo mpikambana anaty Vaomiera fa "maro amin’ireo fifana-raham-piara-miasa nifanaovan’ny orinasa JIRAMA sy ireo mpandraharaha tsy miankina nandritra ny valo taona farany no nahitana zavatra maro tsy ara-drariny sy tsy mifandanjana". Nambara fa ireo fifanarahana ireo no manimba ny JIRAMA ary tsy mifanaraka amin’ny tombontsoam-bahoaka. Enim-bolana no haharetan'ny fanadihadiana hataon'ny vaomiera, ka hisy mandritra izany ny fidinana ifotony eny amin’ireo toerana famokarana sy famatsiana herinaratra manerana ny Nosy, ka miisa 47 ireo toerana voafaritra hotsidihina. Nandritra izany ihany koa no nampitandreman’ny Filohan’ny Antenimierampire-nena sy ny Filohan’ny Vaomiera ny amin’ny fisian’ny fanerena sy fampihorohoroana mety hanohintohina ny fizotry ny fanadihadiana.
Jean D.
 

Dans la même rubrique