airtel

Actualités

23-avril-2024

Herinaratra sy solika

Mamofompofona fidanganam-bidy !

Sample post image

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

23-avril-2024

efa nitantana sy nanarina ny Rwanda Energy Group no hiantsoroka ny fitantantanana sy fanarenana ny Jirama, ka ny volana mey no handray ny asany. Zava-dehibe izany, kanefa porofon'ny fihaiken'ny mpitondra fa tsy mahavaha olana, tsy matoky ny manam-pahaizana Malagasy,... Ny tena olan'ny Jirama amin'ny ankampobeny ankoatra ny olana ara-pitantanana sy fahaverezana ara-teknika samihafa, ny fidangan'ny saran'ny famokarana noho isika mbola miantehitra amin'ny famokarana amin'ny solika hatrany amin'ny 70 na 80%, dia ny varotra fatiantoka. Iny nambaran'i Andry Rajoelina iny fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara ariary ny tetibola ividianana solika ampiasain'ny Jirama isa-taona. Nambara fa 80 hatramin'ny 100 miliara ariary isam-bolana no miditra amin'ny Jirama kanefa tsy voaloa na hiniana tsy aloa ny volan'ny mpamatsy solika, Tsy mety tafarina ny orinasa na dia niovaova aza ny mpitantana. Tsy mahavelon-tena sy mbola bokan-trosa ny Jirama kanefa efa handrotsahana tohana ara-bola 500-1000 miliara Ar isan-taona. Eo amin’ny 0,11 dolara/Kwh ny fantiantoka manome 26%, ary mpahatratra 28% ny fahaverezana ara-teknika, raha ny fanazavana efa nandeha. Mba hitazonana ny fahamarinan-toerana ara-bola, mila 100 tapitrisa dolara isan-taona eo ho eo avy amin’ny governemanta ny Jirama, raha mbola amin’io endriny ankehitriny io. Midika izany rehetra izany, fa any amin’ny fampidiram-bola no olana, isika mividy lafo amin’ireo mpamatsy herinaratra kanefa mbola mivarotra fatiantoka. Io aza anefa efa tsy zakan’ny vahoaka sy ny mpandraharaha satria voasokajy ho lafo. Hahavita fahagagana ve ny mpitantana vahiny nantsoina? Misy dian-tànan’ny Banky iraisam-pirenena ny fiantsoana an’I Ron Weiss, kanefa ity rafitra ara-bola ity dia efa nivoy sy nametraka fepetra hatrany amin’ny hirosoana tsikelikely amin’ny vidiny tena izy na “vérité de prix”. Io no hany làlana tsy haha fatiantoka ny Jirama, ankoatra ny firosoana tsikelikely amin’ny angovo azo havaozina. Ankoatra ny zavatra mandindona eo anivon’ny Jirama amin’ny lafiny fampiharana ny vidiny tena izy anefa, dia eo ihany koa ny resaka vidin-tsolika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Mampanahy ihany koa mantsy ny fiakarana eo anatrehan’ny ady any Moyen Orient sy ny manodidina noho ny fahavakisan’ny ady eo amin’I Israel sy Iran. Ny tombatombana, dia mety hiakatra hatrany amin’ny 120 dolara ny barila, ka isan’ny tandindonin-doza hatrany ny firenena sahirana tahaka antsika kanefa mbola tsy mahomby ny mpitondra. Ny vidin-tsolika eto izay efa nanaovan’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena tsindry hatry ny ela ny hampiharana ihany koa ny vidiny tena izy. Manana vahaolana mahomby hiatrehana izany rehetra izany ve ny Fanjakana sa hamatratra ny tsy fahombiazana samihafa any amin’ireny tahaka ny efa niseho tamin’ny coronavirus sy ny ady any Ukraine?
Toky R
Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap