Nahitana fitomboana 12,5 MWc ny herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro eto amin'ny tambazotra iraisan'Antananarivo na RIA. Asa na kisendrasendra na fifanojoan-javatra fotsiny ihany fa dia ny 24 Mey 2026 andro nankalazana ny nidinan'ny Fanahy Masina na Pantekôty mihitsy no tratra io fiakarana io, azo avy amin'ireo foibe mpihary herinaratra miisa efatra dia eny Mangatany sy Ampangabe izay samy manome 5 MWc avy, miampy ny avy eny Ambatomirahavavy izay nanome 1,5 MWc sy ny avy eny Ambohidrano Ilafy izay mamokatra 1MWc. Mandroso miandalana koa, araka ireo dingana takian’ny lalàna, ireo fifanekena savaranonando (Memorandum Of Understanding) miisa 86 izay vita sonia ny volana Aprily lasa teo, ho fanamafisana ny fampandrosoana ny sehatry ny angovo avy amin'ny herin'ny masoandro eto Madagasikara. Isany vahaolana hiadiana amin'ny delestazy ny herinaratra avy amin'ny masoandro. Tombony ho an'i Madagasikara rahateo ny fisitrahany hazavan'ny masoandro anatin'ny 365 andro. Tanjona moa ny hampitombo sy hanatsara ny famokarana herinaratra manerana ny Nosy ho an'ny tombontsoan'ny vahoaka, ary koa ny fanamafisana orina ny fiaraha-miasa eo amin'ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ao anaty fanatanterahana Tetikasa sy Fandaharan’asa maro, anisany ny M300.
Jean D.
Iray amin'ireo foibe mpihary herinaratra avy amin'ny herin'ny masoandro mamatsy ny RIA