airtel

Actualités

29-avril-2026

HERISETRA AMIN’NY

MAHALAHY SY MAHAVAVY

Sample post image

Nanaovana hetsika manokana ny tany Maintirano

29-avril-2026

Tsy foana ny herisetra mifototra amin'ny mahalahy sy mahavavy eny anivon'ny fiaraha-monina eny. Misy hatrany izany tranga izany ka amin'ny ankapobeny dia ireo zaza tsy manan-tsiny no tena lasibatra. Ho an'ny distrikan'i Maintirano manokana dia nanatanteraka hetsika ireo Polisim-pirenena miasa any an-toerana ny folakandron’ny 26 Aprily teo. Tao amin’ny tokontanin’ny EPP Tanambao SPM Maintirano no nanatanterahana izany ka anisan'ny lohahevitra lehibe nodinihina ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy sy maha-vavy (VBG) ary ny ady amin’ny kolikoly. Nohamafisiny tamin'izany fahalalan’ny vahoaka mikasika azy io. Nisy ihany koa ny fanentanana ny rehetra MBA handray andraikitra raha sanatria ka tojo izany tranga izany. Tanjon'ny tompon'andraikitra ny handrindra hatrany ny fiainam-piaraha-monina sy hisian’ny fandriam-pahalemana maharitra no sady hiarovana ny ankizy madinika ihany koa.
Pati
Légende : Nandritra ny fampiofanana !
 

Dans la même rubrique

12-oct-2026

navadika ho lasantsy

Card image cap
12-oct-2026

Navaozina ny fiaraha-miasan’Ambatovy sy ny BNGRC

Card image cap
09-oct-2026

Misy fanakorontanana

Card image cap
09-oct-2026

Hamondrona ny heriny

Card image cap
09-oct-2026

Misy zavatra tsara alamina ihany angamba…

Card image cap
09-oct-2026

Miantso ireo fikambanam-behivavy

Card image cap