airtel

Actualités

29-avril-2026

HERISETRA AMIN’NY

MAHALAHY SY MAHAVAVY

Sample post image

Nanaovana hetsika manokana ny tany Maintirano

29-avril-2026

Tsy foana ny herisetra mifototra amin'ny mahalahy sy mahavavy eny anivon'ny fiaraha-monina eny. Misy hatrany izany tranga izany ka amin'ny ankapobeny dia ireo zaza tsy manan-tsiny no tena lasibatra. Ho an'ny distrikan'i Maintirano manokana dia nanatanteraka hetsika ireo Polisim-pirenena miasa any an-toerana ny folakandron’ny 26 Aprily teo. Tao amin’ny tokontanin’ny EPP Tanambao SPM Maintirano no nanatanterahana izany ka anisan'ny lohahevitra lehibe nodinihina ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy sy maha-vavy (VBG) ary ny ady amin’ny kolikoly. Nohamafisiny tamin'izany fahalalan’ny vahoaka mikasika azy io. Nisy ihany koa ny fanentanana ny rehetra MBA handray andraikitra raha sanatria ka tojo izany tranga izany. Tanjon'ny tompon'andraikitra ny handrindra hatrany ny fiainam-piaraha-monina sy hisian’ny fandriam-pahalemana maharitra no sady hiarovana ny ankizy madinika ihany koa.
Pati
Légende : Nandritra ny fampiofanana !
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap