airtel

Actualités

31-août-2023

Herisetratamin’ny zaza tsy ampy taona

Nodorany ny tanan’ny zanak’ilay sakaizany

Sample post image

Vehivavy iray 35 taona no tsy maintsy nosamborin’ny Polisy tao Sambava ny 29 Apgositra

31-août-2023

teo tokony ho tamin'ny 05 ora sy sasany hariva rehefa nanao herisetra tamina zazalahy kely tsy ampy taona iray. Raha tsiahivina kely ny tantara dia naharay fitarainana tamin'ny mponina teny an-toerana ny Polisy miasa ao Sambava fa misy Ramatoa iray mpitazona toeram-pisakafoanana mampijaly fatratra sy manao herisetra amin’ilay zazalahy kely miasa ao aminy. Nidina ifotony nijery ny zava-misy ny Polisy nanoloana izany ka avy hatrany dia nisambotra io vehivavy io. Tamin'ny fotoana nijerena ilay zazalahy kely dia hita fa nodoran’ilay ramatoa ny tanany ary nahitana ratra maromaro ihany koa ny vatany. Noentina teny amin'ny biraon'ny Polisy tao Sambava ity ramatoa ity natao famotorana ka taorian'ny fanadihadiana natao taminy dia fantatra fa zanaky ny sakaizany ihany io tovolahy kely hanaovany herisetra io.
Pati Legende : Ity ilay Ramatoa nahavanon-doza tamin’ny zanaky ny sakaizany !
 

Dans la même rubrique

12-août-2026

Tena handroso raha mifankatia sy

Card image cap
12-août-2026

hazo ala 149, saribao 134 gony,...

Card image cap
11-août-2026

Miha milentika i Marie Michelle, 5 hafa nidoboka

Card image cap
11-août-2026

Marc Dillard, diplaomaty efa za-draharaha

Card image cap
11-août-2026

maty nianjeran'ny tamboho

Card image cap