airtel

Actualités

28-mars-2024

Hetsi-pahatsiarovana ny 29 marsa ao Moramanga

Zokiolona 335 no nahazo fitsaboana maimaimpoana

Sample post image

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

28-mars-2024

dia isan'ireo Faritra hanaovana ny fitsaboana maimaim-poana , izay tohana ara-pahasalamana ho an'ny zokiolona ny ao Moramanga, Faritra Alaotra Mangoro. Efa nanomboka ny Alatsinainy 25 Martsa teo ny hetsika ary tsy hifarana izany raha tsy ny 06 Aprily ho avy izao. Raha araka ny vaovao azo dia zokiolona miisa 335 hatreto no efa nahazo tombontsoa.Tamin’ny andro voalohany dia nahatratra 132 isa ireo voatsabo raha miisa 203 kosa tamin’ny andro faharoa. Ho an'ny anio Alakamisy sy rahampitso Zoma kosa, dia misy ny fitsaboana manokana hiarahana amin'ireo "Médecins spécialisés" hataon'ny "Bataillon Médical" Ampahibe sy ny eo anivon'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka.
Nangonin’i Pati
Legende : Vehivavy ny ankamaroan’ireo nisitraka ilay fitsaboana !
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap