airtel

Actualités

08-janv-2026

Hotely Carlton

Mandalo krizy, migrevy ny mpiasa

Sample post image

Nanomboka omaly 7 janoary ny

08-janv-2026

fitokonana ataon’ny mpiasa ao amin’ny Hôtel Carlton, taorian’ny fanambarana nataon’ny mpitantana ity trano fandraisam-bahiny ny 6 janoary, milaza fa hampiharina avy hatrany ny "chômage technique" na fiatoana teknika. Araka ny filazan’ireo mpiasa, nambara tampoka izany fanapahan-kevitra izany, tsy nisy fifampidinihana na fifanakalozan-kevitra mialoha. Ny fitantanana dia manazava fa antony ara-bola sy fahavoazana ara-pitantanana no nanosika azy, tranga tsy mbola nisy hatramin’izay tao amin’ity trano fandraisam-bahiny malaza ity, hoy ny fampahalalam-baovao. Mety ho tapaka ny asa ho an’ny antsasaky ny mpiasa. Mitaky ny fialan’ny Tale Jeneralin’ny Carlton, Sam Van, ireo mpiasa mitokona. Nangatahana hanome fanazavana ny Tale Jeneraly, saingy araka ny nambaran’ny solontenan’ny mpiasa voatendry ho mpitondra teny, dia “be loatra ny asa” ka tsy afaka nanao fanambarana izy. Ny Hôtel Carlton, izay nisokatra tamin’ny taona 1970 nandritra ny fitondran’ny filoha Philibert Tsiranana, dia fantatra tamin'ny naha hotely goavana na "grand hôtel" voalohany teto Madagasikara. Notantanin'ny Summit Hôtel and Resort, ary ny fizarana ny renivola dia 57 % ho an’ny orinasa Henri Fraise et Fils, ary 43 % ho an’ny Fanjakana malagasy. Io anjaran'ny fanjakana io taty aoriana dia napetraka eo ambany fitantanan’ny Société Malagasy des Hôtelleries (SMH), nandritra ny fitondran’i Didier Ratsiraka. Amin’izao fotoana izao, mbola mitazona ny anjara lehibe ny Henri Fraise et Fils, saingy voalaza fa tsy mazava ny tena fandraisan’anjaran’ny fanjakana. Nandalo fotoana maro ny Carlton, nisy vanim-potoana nahazo vahana sy nisy koa ny fahasahiranana. Tamin’ny volana novambra 2007, ny Hôtel Hilton dia nanova ny marika ho Carlton 5 étoiles, teo ambany fitantanan’i François Van Rens. Hatramin’izay dia efa niova indroa ny fitantanana. Ankehitriny, ireo mpiasa tandindonin-doza amin’ny fandroahana dia milaza fa tsy manana fahaiza-mitantana ilaina ny Tale Jeneraly ankehitriny izay chef cuisinier teo aloha, ka tsy afaka hanarina ny lazan’ny Carlton sy hitazona ny hajany, raha ny filazan'izy ireo notaterin’ny fampahalalam-baovao. Manamarika kihon-dalana amin’ny tantaran’ity trano fandraisam-bahiny malaza ity. Raha mbola tsy misy fifampiresahana mazava eo amin’ny mpiasa sy ny fitantanana, dia mety hitarika ho amin’ny krizy lalina kokoa ny toe-draharaha. Ny fanontaniana mipetraka ankehitriny dia hoe: ho voavonjy ve ny marika Carlton, sa ho lasa tantara sisa ny lazany? Inona no fanapahan-kevitra horaisin'ny Fanjakana amin'ny maha mpiara-miombon'antoka azy na tsy dia mazava aza? Sa mety ho lasan'ny vahiny ambongadiny?
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-févr-2026

Misy ny fiomanan’ny kolonely Michaël Randrianirina

Card image cap
18-févr-2026

Nidina an-dalambe nanao fihetsiketsehana

Card image cap
18-févr-2026

Manohy ny fanoloran-tenany amin'ny

Card image cap
17-févr-2026

vitan’ny hafa ve tsy ho vitantsika,

Card image cap